Mitana anjara asa lehibe ara-tontolo iainana sy fiainan’ny zanak’olomebelona ary ny toekarena ny tanalahy. Ho fampahafantarana ny maha-zava-dehibe ny tanalahy sy ny fikajiana ny toeram-ponenany dia mikarakara hetsika antsoina hoe “Festival Caméléon” ny ONG Caméléon. Eo ambany fiahian’ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy (MEDD) sy ireo mpiara-miombon’antoka maro samihafa ny hetsika. Ho tanterahina ny 13 ka hatramin’ny 15 jona 2025, any Amboasary Atsimo, faritra Anosy ny andiany voalohany. Hisy ny fampirantiana sy velankevitra ny maha zavadehibe ny tanalahy mandritra ny hetsika. Amin’ny maha hetsika ara-tontolo iainana ny festival Caméléon dia hampiavaka azy ny fitsidihana valanjavaboharin’i Berenty sy fitsangatsanganana any amin’ny farihy Anony (Lakanony na mendrika antsoina hoe #Dubaï d’Amboasary) izay ahafahana manandrana ny “angera”, karazan-trondro tsy hita afa-tsy ao Amboasary Atsimo. Tsy adino ny fifaninanana fananganana tetikasa momba ny fiovan’ny toetrandro, fikajiana ny tanalahy. Natao ho an’ny tanora izy ity. Ankoatra izany, handravaka ny “festival” ny hetsika ara-kolotsaina maro isan-karazany toy ny fifaninanana Ringa, Tsinjake Tandroy sy Mangaliba, ny fifaninanana momba ny randrana, fomba fitafy Ntandroy sy Ntanosy ary ny fampahafantarana ny fomba amam-panao toy ny fampirafesana, fomba famelomana afo taloha amin’ny alalan’ny hazo (foserana) . “Asongadina amin’io fotoana io ny tomaka na fomba fandrahoana voamanga na mangahazo taloha. Tsy mila vilany na afo fa mangady lavaka dia arotsaka ao ny voamanga na mangahazo ary totofana avy eo ”, hoy i Managneto Olivier, Mpandrindra ny ONG Caméléon, nandritra ny fampahafantarana ny hetsika, ny 12 febroary 2025. Mpanakanto malagasy maro no hanafana ny hetsika isaky ny hariva. Nambarany fa manana harena tsy voatanisa i Amboasary Atsimo fa lavitra andriana. Ho fampahafantarana izany no antony nanaovana ny festival Caméléon any. Nanamafy koa izy fa harena ny tanalahy satria manana ny tombambidy. “Misy manondrana azy mahazo vola ka tokony misy fiantraikany any ifotony, hisy tamberinandraikitra ho an’ny faritra izany”, hoy izy.
Tsindry mihatra amin’ny tanalahy
234 ny karazana tanalahy manerantany ka tsy hita afa-tsy eto amintsika ny 42 % amin’izany (98 isa). Tandindomin-doza anefa ny 50 % amin’ireo karazana tanalahy ireo, araka ny tombana farany. “Anisany tsindry mihatra amin’ireo tanalahy eto amintsika ny fahasimban’ny ala izay toeram-ponenany, ny fanondranana antsokosoko. Eo ihany koa ny famonoana azy noho ny tsy fiheverana fa manan-danja”, hoy i Dr Andriantsimanarilafy Rodlis Raphali, manam-pahaizana manokana momba ny tanalahy sady mpandrindra ny fandaharan’asa Madagasikara Voakajy. “ Ao anatin’ny sokajim-biby mandady ny tanalahy. Bibikely no sakafony. Manampy amin’ny fampirindrana ny habetsahan’ny bibikely izy. Raha ohatra ka maty ny tanalahy rehetra dia misy ny firongatry ny bibikely. Ohatra, tany Mexique, nisy ny fahafatesana sahona. Rehefa natao ny fanadihadiana dia niakatra tahan’ny tazomoka taorian’ny faharinganan’ny sahona betsaka. Raha ringana ny tanalahy dia mety hirongatra ny aretina avy amin’ny bibikely”, hoy hatrany i Dr Andriantsimanarilafy Rodlis Raphali. Noho izany, fomba iray hanentanana ny mponina ny maha zavadehibe ny tanalahy ny festival. Ho resahana mandritra ny adi-hevitra fomba hamatsiam-bola ny fiarovana ireo bibidia.
Ra-Nirina