Sport

FEDERASION’NY KICK-BOXING : Tsy hisy intsony ny kitranoantrano ho an’izay tena mahay


Napetraka amin’ireo mpanazatra sy  teknisianina ny fandrafetana ny DTN. Hanokatra ny taom-pilalaovana amin’ity taona 2022 ny ligin’Antsinana ny filoha nasionalin’ny federasiona malagasy ny ckick-boxing izay atao any Toamasina ny 03 Aprily 2022. Tsy kisendrasendra ny naha voafidy an’i Lylison Rolland de René ho filoha nasionalin’ny federasiona malagasy ny ckick-boxing. 10 taona nanampiana ity taranja iray ity izy raha ny nambarany. « Natsoina aho mba hanavotra  ity taranja kick-boxing satria nihapotika ».Efa voatsangana ny rafitra eo amin’ity federasion’ity taranja ity fa miandry kosa ny ao amin’ny DTN. Mikarakara an’izany ny mpanazatra nasionaly sy ireo teknisianina isan-karazany amin’ny kick-boxing. Hojerena avokoa ireo dojo mijoro rehetra mba ho atao ara-dàlana ireo izay tsy mbola ara-dàlana, hoy hatrany ity filoha nasionaly ity. Misy ny fiomanana lavitr’ezaka ary ny fohy ezaka amin’ny fampiroboroboana ny taranja. Akaiky indrindra ny fanomanana ny lalaon’ny nosy, atao izay hitiliana ireo mpiady tena mahay. « Tsy hisy intsony ny kitranoantrano manomboka eto. Matetika izay no nahavoa ity taranja ity. Hametraka discipline amin’ny fitantanana ity taranja ity no anisany nifidianan’izy ireo ahy ». Ankoatra izay dia tsy mbola tsy misy ligy manana ringa ka efa eo am-pitadiavana lalam-bola sy namana hanampy hanaovana izany ity filoha vaovao ity. Noho izany dia ezahina ny hazona ringa maro. Ny fitaovana enti-miady kosa dia hovidiana maro homena ny ligy rehetra hiatrehana ny fifaninanana.

Ra-Nirina

HORONAN-TSARY


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *