Socio-eco

FBL FLM AMBATOVINAKY: Tsingerintaona roa sosonaa


Nankalaza tsingerintaona roa sosona ny sampana Fikambanam-Behivavy Loterana (FBL) FLM Ambatovinaky ny Saboty 02 marsa 2024. Feno 30 taona ny rantsana Maria-Marta, ary 20 taona kosa ny Antsan’ny Maria-Marta izay antoko mpihira zanakavavin’ny Maria-Marta ihany. Samy rantsan’ny sampan’ny FBL ao amy FLM Ambatovinaky ireo rantsana roa nankalaza tsingeintaona roa sosona ireo.

Fanokafana ny fotoam-pankalazana moa io natao tao amy ny akany Ambatovinaky io, fa ny ivon’ny fankalazana dia amy 12 mey 2024. Fiaraha-misakafo no nanamarihana izany lanonana izany, kanefa nandritra izany koa ankoatra ny antsan-kira nifandimbiasan’ireo rantsana roa ireo (ny reniny sy ny zanany) dia nankalaza mialoha ny Andron’ny Vehivavy 8 marsa ny Maria-Marta. Nazavaina koa ny niavian’ny anarana Maria-Marta sy ny antom-pisiany: Maria finoana, Marta finoana sy asa. Manerana ny saha loterana eto Madagasikara dia ao Ambatovinaky ihany ny FBL no manana rantsana kka io Maria-Marta io. Fahita any amy Fiangonana Loterana any Amerika Avaratra io rantsana fikambanam-behivavy io, ka inoana fa fahazarana avy any no nentin’ny Dr Rasolondraibe Péri mivady nisintonana aingam-panahy nananganana ny rantsana Maria-Marta tao amy ny FLM Ambatovinaky.

Tonga nanatrika izany fotoana izany ireo Pastora maro ombam-bady avy anatin’ny SPAnta, ary koa ireo vadina Pastora efa nitodi-damosina ny tany. Niakatra tao Ambatovinaky nanome voninahitra ny fety koa ny Dr Rasolondraibe Péri, Pastora, sy Ramatoa vadiny, izay Raiamandreny nanorina ny rantsana Maria-Marta sady Mpitondra Fitandremana tao Ambatovinaky tamin’izany fotoana izany. Fifaliana sy totorebika no nisongadina fa samy velon’aina 30 taona aty aoriana.

Razaka Oliva


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *