Socio-eco

FATANA FANAMBOARANA SARIBAO GMDR : Miady amin’ny fiovan’ny toetry ny andro


Misoroka  famokarana C02. Anisan’ny zavatra fampiasa amin’ny an-davanandron’ny  tokan-trano malagasy ny saribao. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa AFAFI-Nord-AF ny « charbon vert ». Hazo volena no atao saribao ary fatana namboarina mba tsy hisy fiantraikany amin’ny fiovan’ny toetry ny andro no hikotrehana ny hazo hivadika saribao. Fatana « GreenMad Dome Raitra » (GMDR) no hiantsona azy. Ny GMDR iray dia ahazoana saribao avo telo heny raha ampitahaina amin’ny fatana fanaovana saribao nentim-paharazana. Ankoatra izay dia tsy misy very ireo hazo ary indrindra mivadika saribao avokoa sady mateza rehefa andrahoana sakafo.  Ny fatana GMDR iray dia mahavita misoroka  famokarana C02 maherin’ny 400 taonina mitovy  amin’ny  entona mangeja 400téq . Noho izany dia miaro amin’ny fiovan’ny toetry ny andro ity teknika iray ity. Tanjona ny hitadiavan’ny olona vola nefa sady miaro ny tontolo iainana, hoy Jeremie Randriarimalala, Tomponandraikitry ny fambolen-kazo amin’ny tetikasa AFAFI-Nord-AF ao Ambilobe. Hazo kinina no nosafidian’ny an-kamaroan’ny olona satria vetivety dia maniry. Heritreretina hamokatra saribao 30 taonina ny fatana GMDR iray ao anatin’ny taona iray fa tsy mbola tratra noho ny antony izy ity tsy mbola voafehy tsara hoy hatrany i  Jeremie Randriarimalala. Mbola 20 taonina izany ankehitriny. Talohan’izao dia efa nisy ny tetikasa nifototra tamin’ny fambolen-kazo ka efa mahatratra 1.900 hektara teto Ambilobe fa nanampy 2.000 Hektara ny tetikasa. Miisa 22 ireo fatana GMDR amin’ny toerana 10  ao anatin’ny kaominina efatra eto amin’ny distriktan’Ambilobe. 9.000 taonina ny filan’Ambilobe saribao isan-taona. Tsy mbola mahenika izany anefa ny tetikasa satria 6 isan-jaton’io fotsiny hatreto no vokatra saribao amin’ity tetikasa ity.

Marihana fa ny tetikasa AFAFI-Nord-AF dia vatsian’ny vondrona Eropeanina ( UE ) sy ny Ministera federalin’ny Alemana momba ny Fiarahamiasa ara-toekerena sy Fampandrosoana (BMZ) vola ao anatin’ny fandaharan’asan’ny PAGE2/GIZ.

Ra-Nirina

Horonan-tsary:


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *