Socio-eco

FARITRA SOFIA : Matanjaka ara-toekarena


« Raha tsy voalohany dia faharoa amin’ny sehatra ara-toekarena. Tsy hita pesipesenina ny « gaz naturel » sy « petrole » ao amin’ny baie de Narindra izay azo lazaina fa ivon’ny harena akibon’ny tanin’i Madagasikara ». Tsy amban-javatra koa anefa ny vokatra ambon’ny tany. Anisan’izany ny vary, foto-tsakafon’ny malagasy. Nosongonan’ny faritra Sofia i Alaotra Mangoro. « Voalohany amin’ny famokaram-bary tamin’ny taona 2021 ny faritra Sofia raha faha roa ny faritra Alaotra Mangoro». Faharoa izy raha eo amin’ny vokatra vanille aorian’i faritra Sava. Hiezaka ny faritra Sofia mba ho lasa voalohany amin’ny famokarana ity vokatra fanondrana mampidim-bola ho an’ny firenena Malagasy ity, hoy ny Goverinoran’ny farita Sofia, ny Jeneraly Lylison Rolland de René. Efa ho 1 000 000 ny isan’ny omby any amin’ity faritra Sofia ity izay mitany ny laharana faharoa raha ny any atsimo andrefana no voalohany.  Raha voafehy ny tsy fandriampahalemana dia mety ho tratra ny laharana voalohany amin’ity fiompiana omby ity raha mba kely ireo very, hoy ity governoran’ny faritra Sofia ity. Laharana voalohany izy amin’ny resaka « crevette » sy « crabe ».  Eo ihany koa ny harena amban’ny tany, bauxite, chrome,…Tsy hita pesipesenina ny « gaz naturel » sy « petrol » ao amin’ny baie de Narindra izay azo lazaina fa ivon’ny harena amban’ny tanin’i Madagasikara.

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tany Antsohihy, faritra Sofia ny 22 Marsa 2022 ny atrik’asa famolavolana ny tetibolam-panjakana ny taona 2023. Tonga nanao izany atrik’asa izany ny Ministran’ny toekarena sy fitatanam-bola,  RABARINIRINARISON Rindra Hasimbelo  sy ny Ministry ny atitany sy fitsinjara-pahefana, TOKELY Justin. Nanatrika izany ireo solombavambahoaka rehetra voafidy tamin’iny faritra Sofia iny. Natao tany Antsohihy ity atrik’asa ity satria ny tolo-kevitry ny faritra Sofia no betsaka indrindra nandritra ny famolavolana io teti-bola io tany Mantasoa izay natrehin’ny governora rehetra.

Ra-Nirina

HORONAN-TSARY:


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *