Socio-eco

FARITRA SAVA : Nihaino ny hetahetan’ny mpandraharaha ara-toekarena fa indrindra amin’ny sehatrin’ny lavanila ny Orange Madagascar


Nitsidika ny faritra SAVA ny delagasionan’ny Orange Madagascar, notarihan’ny Tale jeneraliny , Frédéric Debord ny 31 martsa 2023. Nihaona tamin’ireo mpandraharaha ara-toekarena sy ireo mponin ao Sambava sy Antalaha izy ireo mba hanangonana mivantana ireo hetahetan’izy ireo. Ho fanomezana vahaolana mifanaraka amin’ny filàn’izy ireo  sy ho fampandrosoana ny sehatr’asa ataon’izy ireo fa indrindra ho fampiroboroboana ny toekarena ao amin’ny faritra no tanjona amin’izany. Nampahafantarin’ny ekipan’ny Orange, nandritra ny fivoriana, ny fisian’ny Wifiber. Tolotra internet tsy manam-petra, haingam-pandeha izy ity. Mety tsara amin’ny fandraharahana fa indrindra ho an’ny sehatra lavanila ny Wifiber Pro satria ahafahana mifanerasera amin’izao tontolo izao amin’ny fotoana rehetra. Raha an’ny olon-tsotra indray dia afaka hanarahana horonantsary mandeha amin’ny “streaming” na hangalàna haingana horonantsary na feo. Ankoatra an’i Antalaha sy Sambava dia efa miparitaka manerana hatrany Fort Dauphin, Antananarivo, Mahajanga, Toamasina, Fianarantsoa, Antsirabe, Nosy Be ary Antsiranana ny Wifiber. Tsara ny mampatsiahy fa manana otrikarena raha tsy hilaza afa-tsy ny lavanila  ny faritra SAVA. Manan-daza eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny tsara kalitao ny lavanila avy any Antalaha ary tena tadiavin’ireo mpahay sakafo, mofomamy manerana an’izao tontolo izao.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *