Socio-eco

FARITRA ANÔSY: Fivahinianana voalohany ny NONCE APOSTOLIKA


Ity no fivahinianana voalohany nataon’ny solotenan’ny Papa Ray masina eto Madagasikara, NONCE APOSTOLIKA Son Excellence Mgr Thomasz GRYSA. Nisaotra azy manokana ny  Governoran’ny Faritra Anôsy, Ramatoa Voahary RAKOTOVELOMANANTSOA satria midika ho fifandraisana akaiky eo amin’ny Faritra sy ny Vatikana izao fahatongavany izao. Nanamafisany ihany koa fa mpiara-miombon’antoka manampy ny Faritra amin’ny sehatry ny fampandrosoana ny Fiangonana Katolika. Izao fandalovan’ny NONCE   APOSTOLIQUE eto an-toerana izao dia manamarika ny fanamasinana ny Eveka vaovao izay hitondra ny Diosezin’i Tôlagnaro mandimby toerana ny Eveka teo aloha Mgr Vincent RAKOTOZAFY. Nisy ny sorona masina lehibe natao ny Alahady 28 Janoary 2024 tao amin’ny kianjan’i Ampasamasay  fanamasinana ho Eveka an’i Mgr Luc olivier RAZAFITSIMIALONA izay mandimby ny Mgr Vincent RAKOTOZAFY rehefa avy nitanatana ny diosezin’i Tôlagnaro nandritra ny 23 taona. Eveka maro avy @ lafy valon’ny nosy izay notarihan’ ny Nonce Apostolique THOMASZ GRYSA no niaraka niombom-bavaka tamin’ ireo kristianina aman’aliny nandritra izany.  Tonga nanome voninahitra izao fotoana lehibe izao nisolotena ny Fitondram-panjakana ny Praiminisitra NTSAY Christian notronin’ny governoran’ny Faritra Anôsy Voahary RAKOTOVELOMANANTSOA izay nitarika ireo delegasionina avy any an- toerana ho mariky ny fiarahamiasa eo @ Fitondram-panjakana sy ny eglizy katolika,  hikatsahana hatrany sy hanatsarana ny farim-piainan’ireo mpiara- belona.

Mialohan’izao sorona masina lehibe izao, ny sabotsy 27 janoary 2024 no nanamasinana ireo fitaovana izay ho ampiasain’ity Ray aman-dreny ampanahy ity @ maha Eveka azy.

Ny Zoma 26 Janoary 2024 tamin’ny 02 ora sy sasany kosa no nigadona soamantsara tao amin’ny seranam-piaramanidina Tôlagnaro ny NONCE APOSTOLIKA Son Excellence Mgr Thomasz GRYSA niaraka tamin’ireo Eveka maro avy amin’ny diosezy samihafa mpikambana ao amin’ny fiombonam-ben’ny Eveka eto Madagasikara, notarihin’ny Filohany Son Excellence Mgr Marie Fabien RAHARILAMBONIAINA, tonga hanome voninahitra ny fotoana handraisana ny Eveka vaovao Mgr RAZAFITSIMIALONA Luc Olivier izay notendren’ny Papa Ray masina ny Talata 05 Desambra 2023 lasa teo.

Ny Goverinoram-paritra Anôsy, Ramatoa Voahary RAKOTOVELOMANANTSOA notronin’ireo olom-boafidy eto an-toerana sy ireo manam-boninahitra sivily sy miaramila avy eto anivon’ny Faritra ary ireo filoham-piangonana avy eto anivon’ny diosezin’i Tôlagnaro no nandray ireto vahiny ireto teo ampahatongavany.

Nanangona Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *