Socio-eco

FANOVANA RAFITRA : Maka ny hevitry ny fokonolona ny VOLOBE ho entina amin’ny fikaonandoham-pirenena


Teny ifampierana no hitondrana ny firenena. Efa manana volavolana tetiandro ny VOLOBE (fikambanan’ireo olobe na Ray amandreny mahatsiaro ho manana adidy amin’ny firenena) ny hanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena ho an’ny fanovana rafitra hitondrana an’i Madagasikara. « Antom-pisian’ny VOLOBE ny fananganana sy fametrahana rafitra miainga avy any amin’ny fokonolona, avy amin’ny hevitry ny fokonolona.  Ny vahoaka no tompon’ny fahefana. Ny fokonolona no faratampon’ny demokrasia, masimandidy. Tsy azo dinganina mihintsy ny fokonolona sy ny fokontany amin’izay rehtra atao », hoy ny Jeneraly Razakamanana, nandritra valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny 12 novambra 2025, teny Andrainarivo.

Nanomboka ny 10 ka hatramin’ny 16 novambra 2025 ny fakan-kevitra sy fihainoana ny hetaheta eny anivon’ny fokontany. Avy eo hifidy solontena roa (2) ny avy eo amin’ny fokontany hitondra ny hevitr’izy ireo eo amin’ny firaisana. H ifidy solontena roa (2) ny avy eo amin’ny firaisana hanatrika ny laobary an-dasy, atao eto Antananarivo, hidinika sy hanangana rafitra vaovao sy izay miaraka aminy. Ny 17 ka hatramin’ny 23 novambra ny fandraisana ny hetaheta eny anivony firaisana. Ny 14 ka hatramin’ny 30 novambra ny fandraisana hetaheta eny anivon’ny fivondranana sy distrika. Ny 15 ka hatramin’ny 21 desambra ny fikaonandoham-pirenena.

« Efa mametraka tetiandro ho an’ny fikaonandoham-pirenena izahay. Fanirianay ho tanteraka mihitsy ny fikaonandoham-pirenena ka tokony hisy fifanatonana manomboka eto na ho an’izay rehetra mieritreritra fikaonandoha. Teny atsipy ho an’ny mpitondra fanjakana ihany koa mba tsy hijanona ho resaka fotsiny ny fikaonandoham-pirenena », hoy ny Jeneraly Ramakavelo Désiré, mpitarika ny VOLOBE. Nambarany fa ny fanovana sy fanarenam-pirenena dia miainga avy any ifotony. « Izay no hasahianay VOLOBE miteny amin’izay fanovana izay. Raisinay am-pitiavana, am-pinoana ny fanovana, ny faneranana ny firenena. Tsy misy fanarenana vanona raha tsy miainga avy any ifotony », hoy izy.

Miaramiasa amin’ny Tambazotran’ny fokonolona miaro ny harena voanjanahary (TAFO MIHAAVO) sy ny Fanonga fokonolona ny VOLOBE amin’ny fametrahana rafitra miainga avy amin’ny fokonolona. Efa manerana ny Nosy sy ela niasana teny anivon’ny fokonolona ireo fikambanana roa ireo.

Miantso ny rehetra: tanora, tantsaha, sendika, mpanao gazety, fitondram-panjakana ny VOLOBE hiaraka hivory hitady an’ilay tena rafitra heverina fa afaka hipetraka ela eto amin’ny firenena sy mijery ny tombontsoa ho an’ny Malagasy.

Lynda A / Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *