Socio-eco

FANOHIZANA FIANARANA ANY IVELANY : Ampahafantarina mandritra ny « salon des études internationales » ireo fepetra takiana


Mila fanomanana. Tanterahina nanomboka ny alarobia 01 martsa ary hifarana ny alakamisy 02 martsa 2023 eny amin’ny Akoor Digue Andohatapenaka ny  « Salon des études internationales ».  Oniversite  any ivelany na miara-miasa amin’ireo fianarana ambaratonga any ivelany, ivon-toerana manampy ny mpianatra amin’ny fikarakarana ny dingana rehetra amin’ny fanohizana fianarana any ivelany, ivon-toeram-pampiofanana momba ny teny vahiny miisa 20 mahery no mandray anjara amin’ny ity andiany faha-13 ity. Natao ho an’ireo mpianatra vao afaka bakalorea na ireo efa manana diplaoma fa mbola te hanohy fianarana  ny hetsika. Ampahafantatra azy ireo ny andinidiny toy ny  fepetra takiana, ireo lalam-piofanana,  ny tetibola ilaina sy ny maro hafa ireo mpandray anjara mandritra ny roa andro. Oniverste avy amin’ny firenena  toa an’i Eraopa, Etazonia, Canada, Australie, Inde, Allemagne, Afrika… no ampahafantarina eny an-toerana. Ankoatra ny firesahana mivantana amin’ireo mpitsidika eny amin’ny trano heva  dia misy ihany koa ny famelabelaran-kevitra hiresahana lohahevitra toy ny « fandaharan’asa Marco Polo sy ireo fanazaran’asa misy any ivelany », « ireo fanararaotra amin’ny  fanohizana fianarana any ivelany  toy ny any Eraopa, Afrika, Canada », « ny dingana arahina raha te hianatra any Etazonia ».  « Feno 13 taona ny hetsika. Noho ny filàn’ny mpianatra malagasy momba fanohizana fianarana any ivelany no nahatonga ny Mada Jeune nikarakara ny « salon des études internationales » .  Mila fanomanana  ny fanohizana fianarana any ivelany. Ho hanampiana ireo mpianatra vao afaka bakalorea ahafantatra ny oniversite mandray mpianatra malagasy, ny lalam-piofanana, ny dosie ilaina, ny dingana atao no antom-pisian’ny hetsika », hoy Andriamahatsangy Lahatra, mpikarakara. Raha ny antontan’isa amin’ny ankapobeny dia tanora malagasy miisa 600 eo isan-taona no manohy ny fianarana any amin’ireo fianarana ambaratonga ambony any amin’ny ireo firenen-kafa, araka ny fanazavany.

Tetibola

 «Anisany mahaliana ny mpianatra malagasy ny manohy fianarana any Canada. Moramora kokoa, efa mivoatra be any ary mandray olona betsaka. Misy amin’ireo mpianatra no tonga dia miasa any rehefa vita ny fianarany ao ihany koa ireo mody an-tanindrazana», araka ny fanazavan’ny ivon-toerana mikarakara mpianatra hanohy fianarana any ivelany ny antony mahatonga ny mpianatra ho any Canada. Arakarakin’ny firenena sy oniversite ny saram-pampianarana. Raha ho an’i Canada manokana dia manodidina ny 15.000 dolara isan-taona ny saram-pampianarana farafahakeliny. Tsy mbola ao anatin’ny trano  honenana sy ny fandaniana hafa. Ho an’ireo ray amandreny nitsidika ny hetsika dia nilaza fa fotoana hanovozana fahalalana ny hetsika tahaka izao. « Rehefa mazoto ny ankizy hianatra. Manana faharisihina izy  dia atosikin’ny ray aman-dreny», hoy ny renim-pianakaviana iray niara-nitsidika ny salon tamin’ny zanany roa lahy.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *