Mihoatra ny velaran’ny kianja fanaovam-baolina isa-minitra ny fahapotehan’ny ala amin’ireo faritra arovana an-tanety miisa 109 eto Madagasikara, teo anelanelan’ny taona 2014 sy 2023, araka ny tatitra navoakan’ny “Consortium des Aires Protégées de Madagascar” momba ny faharipahan’ny ala eto Madagasikara, mitondra ny lohateny hoe: “Madagascar Protected Area Outlook 2024”. Mandrakotra ny 11,9 % (7 tapitrisa hektara) ny velarantan’i Madagasikara ireo faritra arovana nanaovana fanadihadiana. Ripaka ny antsasaky ny rakotrala voanjanahary ao anatin’ireo faritra arovana ireo noho ny fitrandrahana tsy ara-dalana. 3,5 tapitrisa hektara sisa no tavela, tsy mandrakotra afa-tsy ny 5,9 % monja ny velaran’i Madagasikara (kely noho ny haben’ny firenena Suisse). Mbola ahiana ho ringana ny antsasaky ny ala voanjanahary sisa tavela amin’ny taona 2026 raha tsy misy ny fandraisaina andraikitra, araka ity tatitra nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny 12 desambra 2024. Faritra arovana 22 no efa maherin’ny 75 % ny tahan’ny fahaverezan’ny rakotrala tany amboalohany. Ohatra amin’izany ny tranga ao amin’ny Ranobe PK32. Hatramin’ny nanambarana azy ho faritra arovana tamin’ny taona 2007 dia efa ringana ny 72 % ny ala voanjanahary. Nahafahana nametraka rafitra fanasokajiana ireo faritra arovana ny fanadihadiana natao. Misy ambaratonga efatra (4) izany sokajy izany izay mifototra amin’ny vinavinan’ny fahaveloman’ny ala voanjanahary ao anatin’ny faritra arovana tsirairay, ao anatin’ny fotoana fohy na fotoana maharitra.
Faritra arovana 13 (Mangabe-Ranomena, Mahialambo, Ampasindava, Baie de Baly, Ranobe PK32, Menabe Antimena, Ankatafantsika…) no ao anatin’ny sokajy “tena tandindomin-doza indrindra” ka ahiana ho ripaka ao anatin’ny 10 taona ny ala voanjanahary ao aminy ary mila fandraisana andraikitra farak’izay maika. Faritra arovana miisa 17 kosa no “tandindomin-doza” ( Valanjavaboahary Tsaratanana, Analabe-Betantanana, Bongolava, Manombo…) ka heverina ho ringana ao anatin’ny 25 taona ny ala voanjanahary ao aminy. Ny 19 (Ambohijinahary, Zombitse Vohibasia, Loky Manambato…) indray voasokajy ho “marefo” ka vinavinaina ho ripaka ao anatin’ny 40 taona ny ala voanjanahary ao. Ny ambiny kosa ao anatin’ny sokajy “kely fanahiana” na faritra mari-toerana tsy dia misy ahiana fa voafehy ny tsindry. Ahafahana mamaritra ireo laharam-pamehanana na ny paikady amin’ny hetsika fiarovana ity fanadihadiana ity. “Nahafahana namantatra ireo faritra arovana tandindomin-doza sy nametraka vahaolana azo tsapain-tanana ity tombana ity. Fanohanana iraisam-pirenena no ilaina maika mba hisorohana ny fahaverezana tsy azo sitranina intsony”, hoy i Rakotoarisoa Solofo, Tomponandraikitry ny fiarovana ao amin’ny Conservation Allies. Tsara ho fantatra fa ny fampiasana sy fikirakirana ireo angon-drakitra mikasika ny fahaverezan’ny ala tamin’ny alalan’ny “Global Forest Watch”, nanomboka ny taona 2021 ka hatramin’ny 2023 no nahafahana nanombana ny fiantraikan’ny fandripahana ala sy ny fironan’ny fivoaran’ny rakotrala tamin’ireo faritra arovana miisa 109.
Ra-Nirina