Sport

FANATANJAHANTENA: Manohana ny fampiroboroboana ny “padel” ny Orange Madagascar


Fanatanjahantena mivoy fahasahiana, fitiavana,  fiarahamiasa anaty ekipa ny “padel”. Nanavao ny fiarahamiasa ny Orange Madagascar sy ny Malagasy Pro Padel Tour (MPPTour) ho fanohizana ny fampiroboroboana ny “padel”, indrindra ho fanafainganana azy ho lasa taranja manana ny toerany eto amintsika. Hanohana  ara-bola ny MPPTour mandritra ny taom-pilalaovana 2025 ny Orange.  Am-polony ny lalao ho karakaraina, miampy fiofanana izay ho tanterahana amin’ny faran’ny taona. Ho tanterahana amin’ity taona ity ihany koa ny Island Padel Cup andiany faharoa, fifaninanana misokatra ho an’ny Nosy manodidina an’i Madagasikara. Ankoatra izany, hisy mpanazatra iraisam-pirenena ho avy hanofana  ireo mpanazatra sy mpilalao eto an-toerana.

Fanatanjahantena mampitambatra  ny “tennis” sy squash” ny padel. Ao anatin’ny kianja mifefy fitaratra sy “grillages” no ilalaovana azy.  “Loharanon’ny fitiavana sy fihetseham-po, mivoy ny soatoavin’ny Orange toy ny fizarana, firaisan-kina ity taranja ity. Efa an-taonany maro ny Orange no nanohana ny fanatanjahantena”, hoy i Frédéric Debord, Tale jeneralin’ny Orange, nandritra ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa niaraka tamin’ny MPPTour, ny 24 febroary 2025.  Nahitam-pahombiazana ny  taom-piarahamiasa voalohany. Tompondaka an’i Afrika sy Ranomasimbe Indiana amin’ny taranja padel i Madagasikara ny taona 2024. Nampandroso ny padel ny fandalovan’ny mpanazatra iraisam-pirenena, Julien Bondia teto amintsika. Marihina fa mampitambatra ireo mpilalao padel mendrika indrindra amin’ny alalan’ny fifaninanana avo lenta no antom-pisian’ny MPPtour.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *