Socio-eco

FANARENANA ARA-TOEKARENA: Mitaky ny hijerena azy manokana ireo vehivavy mpandraharaha


Mitàna andraikitra lehibe amin’ny lafiny toekarena. Nanao fanambarana ny vehivavy mpandraharaha izay mivondrona ao amin’ny fikambanana GFEM, EFOI, WTAM, FOM ny 15 jona 2020 teny Ambohijatovo. Misaotra manokana ny fitondram-panjakana izy ireo tamin’ny fitondrana ny vahaolana, ny Plan Marshall, ny drafitra fanarenana ny toekarena ary ny famatsiam-bola natokana ho an’ny sehatra tsy miankina. “Mijoro eto  izahay ny hijerena manokana ireo orinasa tantanin’ny vehivavy sy ny tanora ao anatin’io plan Marshall io  satria betsaka ny orinasa tantanin’ny vehivavy sy ny tanora no afaka manatanteraka miaraka amin’ny fitondram-panjakana  hatramin’ny farany mba hisian’ny vokatra azo tsapain-tanana”, hoy ny filohan’ny GFEM (Groupement des Femmes Entrepreneurs de Madagascar), Razakaboana Fanja.  Nambarany fa ny 80 % ny orinasa tantanin’ny vehivavy sy ny tanora dia tsy afaka nandoa hetra satria nanome lanja ny fandoavana karaman’ny mpiasa notazomina. Ny 50 %-n’ireo orinasa ireo  nampihatra ny “chômage technique” ary ny 20 % ny orinasa eto amintsika dia vehivavy sy tanora no mitantana azy. “Aza adino ireo vehivavy mpandraharaha fa miezaka dia miezaka ny hitazona ny orinasany tsy ho faty”, hoy  hatrany Razakaboana Fanja.

Raha eo amin’ny lafiny fizahan-tany no resahana dia nilaza ny filohan’ny WTAM (Women Tourism Association for Madagascar), Irène Andreas fa ny 60 % ny mpiasa amin’ny fizahan-tany dia vehivavy sy tanora avokoa. “Mandohalika tanteraka ny fizahantany amin’izao fotoana izao satria mikatona ny hotely, ny restaurant, ny Parc. Tsy misy ny fitaterana. 40.000 asa maty tanteraka  izay ahitana mpiasa 300.000 isa. Miangavy ny fanjakana sy misaotra sahady  izay ho entin’ny Prezidan’ny Repoblika eo amin’ny fanampiana ireo vehivavy ireo satria ny vehivavy dia mitaiza ny firenena sy mampidi-bola amin’ny sehatry fizahantany  ihany koa”,hoy izy.  Nohamafisin’ny solontenan’ny EFOI, Ramanantsoa Harilala fa mitondra ny feon’ireo  orinasa madinika sy salantsalany ihany koa ireto fikambanana ireto mba tsy ho adinon’ny fitondram-panjakana amin’ity drafitra fanarenana ara-toekarena ity.

Lynda A.


One comment on “FANARENANA ARA-TOEKARENA: Mitaky ny hijerena azy manokana ireo vehivavy mpandraharaha

  1. Pingback: FANARENANA ARA-TOEKARENA: Mitaky ny hijerena azy manokana ireo vehivavy mpandraharaha - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *