Ao anatin’ny roa andro dia mivory ny rohim-piraisamonim-pirenena RRI (Rights and Resources Initiative) eto Madagasikara. Resahina mandritra ny fivoriana nanomboka ny 22 septambra ary hifarana ny 23 septambra 2022 eny amin’ny Hotel Centell Antanimena ny tetikasa fanamafisana ny lalà na mifehy ny fananan-tanim-pokonolona, amin’ny alalà n’ny fanamafisana ny rohim-piraisamonim-pirenena. Ny tanjona lehibe ao anatin’ny tetikasa ny fanamafisana ny rohin’ny Firaisamonim-pirenena ary ny fametrahana ny lalà na momba ny tanim-pokonolona sy ny tahala tantanim-pokonolona. Manohana ny tetikasa ny GIZ – ProPFR (Projet de Promotion d’une Politique Foncière Responsable) sy ny RRG (Groupe des Droits et des Ressources). Manatanteraka azy kosa ny SIF (Sehatra Iombonana hoan’ny Fananan-tany), ny ONG SAHA (Soa Afafy Hampahomby ny ho Avy) ary ny CNFM (Conseil National des femmes de Madagascar). Mandray anjara amin’ny fivoriana fametrahana drafitra ho an’ny RRI eto Madagasikara ihany koa ireo sehatra miankina amin’ny fanjakana toy ny Ministeran’ny fanajariana ny tany sy ny fananantany (MATSF), ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy (MEDD) ary ny Ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana (MINAE). Ho tohiny ny ezaka efa vita hamaritana ny drafitra ho fampiroboroboana ny zo fisitrahana fananantany ho an’ny fokonolona ho an’ny taona 2023 no tanjon’ity fampivondronana ireo mpiaramiasa amin’ny tetikasa ity. « Ho firosoana mankany amin’ny fanoratana ny lalà na entina eny anivon’ny parlemanta momba ny fanantany ho an’ny fokonolona, indrindra eny amin’ny tontolo ambanivohitra ity fivoriana ity », hoy i Andriamahafaly Rabearimanana Zaka, Tale Jeneralin’ny Tahirimbolam-pirenena momba ny fananantany. Nilaza izy fa tohiny ny fikaonandoha natao tamin’ny 2019 sy ireo fivoriana samihafa momba ny lalà na mifehy ny fananan-tanim-pokonolona izy ity. Noho izany, « hazava kokoa ny fifanampiana sy fifanomezan-tanana eo amin’ireo mpisehatra momba ny fananantany, mpamatsy vola », hoy izy. Nambaran’i Sonkoue Watio Michelle, mpandrindra ny RRI ho an’ny firenena mampiasa ny teny frantsay fa mifanojo amin’ny dingana nataon’ny governemanta malagasy momba firosoana amin’ny fanoratana lalà na mifehy ny fananan-tanim-pokonolona ny fisian’ny rohin’ny firaisamonim-pirenena eto Madagasikara . « Amin’ny maha hery mpanome soso-kevitra sy mpanetsika anay  dia fananaraotra lehibe ny fanapahan-kevitrin’ny fitondram-panjakana malagasy mba hanetsehana ireo mpisehatra rehatra toy ny avara-pianarana, ny mpamatsy vola, ny mpisehatra eny ifotony hahalala ny dingana efa vita eny anivon’ny faritra fa indrindra eny ifotony sy ahafahan’izy ireo miaraka mamolavola sy mampihatra ny lalà na mifehy ny fananan-tanim-pokonolona ho fiarovana ny zon’ireo olona eny ambanivohitra, ny fampiasana ny tany ary ny  tanim-pokonolona.
Ra-Nirina