Investigation

Fananan-tany


Manao ampihimamba ny « caisse commune » ny mpitantana.

Zon’ny mpiasa rehetra ao amin’ny « domaine » ny mahazo ny anjarany amin’ny « caisse commune » kanefa ataon’ireo tomponadraikitra ambony ampihimamba. Isaky ny roa na telo volana no hisitrahan’izy ireo izany.
Namaly ny fanontaniana napetraka taminy ny Minisitry ny fanajariana ny tany tamin’ny tetezamita, Hajo ANDRIANAINARIVELO.
Fanontaniana : Misy ve io « caisse commune », iza avy no tokony hisitraka izany ?
Hajo ANDRIANAINARIVELOHajo ANDRIANAINARIVELO : Eny, misy tokoa io « caisse commune » io saingy ny mampalahelo, ataon’ny tomponandraikitra ambony toy ny minisitra, tale jeneraly, « chef de service »…izany raha tokony ho ny mpiasa rehetra no hisitraka izany isaky ny roa na telo volana. Tamin’ny nitondrako io minisitera io, nozaraiko izany ho an’ireo mpiasa rehetra tsy an-kanavaka kanefa kosa tsy mitovy ny raisin’ny tsirairay arakaraka ny andraikiny. Misy mandray 2.000.000 Ariary ka hatramin’ny 3.000.000 Ariary ny tale jeneraly, ny tale isan-karazany…
F : Inona no anton’io « caisse commune » io ary vola avy aiza no mirotsaka ao?
H : Antony izy io ny hanomezana fankasitrahana ireo mpiasa indrindra ihany koa mba hiadiana amin’ny kolikoly. Ny lalana mihitsy no nametraka io « caisse commune » io. Ampahan’ny vola azo amin’ireny alohan’ny olona mpikarakara tany ireny « transaction » io vola arotsaka ao io.Tokony ho afaka amin’ny am-pahany ny kolikoly ao amin’io sampan-draharahan’ny fananantany sy ny fandrefesantany io. Misy an’io « caisse commune » io avokoa manerana ny sampan-draharaha iray ity eto Madagasikara. Raha ny henoko anefa ankehitriny dia tsy zarain’ireo mpitantana ao indray io vola io .
F : Nijanona tamin’ny fisian’ny « caisse commune » ihany ve ny ady amin’ny kolikoly ?
H : Tsy mijanona amin’io ihany ny ady amin’ny kolikoly fa nisy ihany koa ny fanadiovana ny mpiasa. Nahitana olona maromaro manana birao kanefa tsy mpiasam-panjakana tao amin’io sampan-draharahan’ny fananantany sy fandrefesantany io. Miisa 20 teo izy ireo tao amin’ny « domaine » ary 30 ny tao amin’ny « topo ». Azo eritreretina ve ny fisian’ny mpiasa tsy raikitra ( benevol ) mandritra ny 4 taona ka tsy mandray karama? Kolikoly no dikan’izay. Marihako fa zanak’olona ambony lava tanana manao fivelomana ao ireo mpanera tao amin’ny biraon’ny fananantany sy ny fandrefesantany ireo. Ny mampalahelo ahy, ny filazana fa tsy ekipako ireo tamin’izany ka noesoriko. Amin’izao fotoana izao raha ny henoko, niverina ao ireo.

Any Toamasina, fomba fiady ny manangana fikambanana mba hangalàna ny tany ka anaovan’izy ireo         « prescription acquisitive » na ny famonoana ny « titre » eny amin’ny fitsarana. Eo ihany koa ny fijalian’ny vahoaka madinika amin’ny fikarakarana ny tany eny amin’ny « domaine » noho ny fahelàn’ny fahazoana « titre ». Ankoatra izay, mandany volabe ny olompirenena noho ny fisian’ireo mpanera mifandray amin’ny mpiasan’ny «domaine».

DOMAINE TOAMASINA IIHarena manan-danja ho an’ny Malagasy ny tany honenany. Azo lazaina mihitsy aza fa andry iankinan’ny fiainany sy ny taranany izany. Manao ny ainy tsy ho zavatra izy ireo mikarakara io tany ananany io.
Fantany ihany koa fa harena mitombo vidy ny tany. Ankehitriny, 57 taona taorian’ny niverenan’ny fahaleovantena, mitombo andro aman’alina ny olan’ny fananan-tany. Tamin’izany andro izany nifampatoky tanteraka ny mpiara-monina ka tsy nilan’izy ireo izany taratasy maha tompon’ny tany azy izany. Ny mpiara-monina noho izany no mamaritra ny tanin’ny olona iray izay nipetrahany.
Amin’izao fotoana izao mipetraka ny olana naterak’izay fifampitokisana izay ho an’ny taranaka ankehitriny, 30% monja amin’ireo mponina any amin’ny faritanin’i Toamasina no manana « titre » raha ny fanazavan’i Talata Michel, lehiben’ny faritra Atsinanana. Etsy andaniny, ireo tsy manana izany « titre » izany no tena tratry ny olana noho ny tsy fikarakarany ny taniny mba hisoratra aminy. Etsy ankilany, ireo manana « titre » nefa tsy hitan’ny mponina mandritra ny taona maro misy mangataka « prescription acquisitive » na ny famonoana ny « titre » eny amin’ny fitsarana. Gaga ny tompon’ny tany rehefa mitsidika ny taniny fa efa nisoratra amin’ny olon-kafa izany. Manampy trotraka ny fahelan’ny fikarakarana famindrana ny tany eny amin’ny « domaine » izay mampitaraina ny olompirenena tokoa.
Tsy vitan’ny olompirenena miasa ny mikarakara izany indrindra ireo lavitra ny toerana misy ireny « domaine » ireny. Ny fatahorana miditra biraom-panjakana manginy fotsiny ka voatery izy ireo mitady mpanera mba hahavitany izany haingana. Noho izany antony rehetra izany, mirongatra tokoa ny olan’ny fananantany any Toamasina sy Antananarivo nanaovana ny fanadihadiana.

Mpanera sy ny kolikoly
DIRECTION GENERAL DE SERVICES FONCIERMiezaka miady amin’izany kolikoly izany ny eo amin’ny sampan-draharaha ny fananan-tany sy ny fandrefesan-tany kanefa mbola lavitra dia lavitra ny ezaka. Milaza, ohatra, ireo mpanera nanaovana ny fanadihadiana fa mila azy ireo ny ankamaroan’ny olona mikarakara tany satria mila fotoana maharitra ny fikarakarana izany sady izy ireo ihany koa no efa zatra miresaka sy fantan’ireo mpiasa ao amin’ny « domaine sy topo ». Tsy vitan’ny olona miasa ny mivezivezy manaraka ny « dossiers » ka voatery miresaka amin’ny mpanera. Ny fahatahorana miditra birao ihany koa dia mitarika ny olona hitady mpanera.
Raha ny fanazavan-dRamatoa Nirina izay mpanera etsy amin’ny « domaine » Antananarivo Atsimondrano fa 50 mahery farafahakelin’ny ny mpanera mivezivezy eo amin’izany toerana izany. Misy tokoa noho izany ny kolikoly ataon’ireo mpanera ireo amin’ny mpiasan’ny « domaine sy topo » ireo. Nanazava izy fa tsy maintsy manome vola an’ny mpiasan’ny « domaine » raha tiana ho vita haingana ny taratasy. Nanome ohatra sy nasehony mihitsy fa nangataka «situation juridique » roa izy. Raha ny fandaminan’ny tomponandraikitra ao amin’io « domaine » atsimondrano io dia 10 andro andro eo ho eo ny fahavitan’izany kanefa nanome vola 30.000 Ariary izy ka nivoaka teo no ho eo izany. Nomarihany kosa anefa fa tsy maintsy mandoa ny vola ara-dalana eo amin’ny « caisse » ihany izy. Nangataka sarintany dimy ihany koa izy tao amin’ny « topo » Atsimondrano ihany ka nanome vola 35.000 ariary ka ho vita ny ampitso. Raha ny fanazavany, samy mahazo ny anjarany avokoa ny tomponandraikitra mifanandrify amin’iny taratasy iny, anisan’izany ny « chef » manao ny sonia.
ELISABETH ANTANANARIVONa eo aza izany fisehoan’ny kolikoly izany, miezaka miady an’izany ny tomponandraikitra ao amin’ny « domaine » ka nametraka fepetra . « Ny tompony ihany na manome fanomezan-dalana, izy no afaka mametraka sy manaraka ny « dossier , hoy Elisabeth RASOANANDRIANINA, tomponandraikitry ny mpikajy ny fananantany ao Antananarivo Renivohitra. Niova filamatra kosa noho izany ireo mpanera ka mampiasa « procuration » na fanomezan-dalana avy amin’ny tompon’ny « dossier » na eto Antananarivo na any Toamasina . Loza mihatra ho an’ny tompon’ny tany anefa izy io satria mety hivadian’io mpanera io izy.

Giazan’ny minisitra sy ireo tale ary ny « chef de service » isan-karazany ny vola azo amin’ny « caisse commune » ao amin’ny sampan-draharahan’ny fananantany sy fandrefesantany.

Tokony efa afaka amin’ny ampahany ny kolikoly ao amin’ny sampan-draharahan’ny fananantany io. Anisan’izany ny fisin’ny « caisse commune » hanangonana ny ampahan’ny vola azo amin’ireny vola alohan’ny olona mpikarakara tany ireny « transaction » . Kanefa zarain’ny mpitantana ambony toy ny minisitra, tale jeneraly, « chef de service »…, hoy Hajo ANDRIANAINARIVELO, minisitry ny fanajariana ny tany teo aloha. Nozarainy kosa anefa izany tamin’ny nitondrany io minisitera io ka nahazo ny anjarany avokoa ireo mpiasa ao amin’ny fananantany rehetra. Isaky ny roa na telo volana no izarana azy io. Misy mandray 2.000.000 ka hatramin’ny 3.000.000 Ariary ny tale jeneraly, ny tale isan-karazany… Arakaraka ny asa sy andraikitra raisina kosa anefa ny vola raisina, hoy izy. Misy an’io « caisse commune » io avokoa manerana ny sampan-draharaha ny fananantany eto Madagasikara. « Raha ny henoko dia tsy zarain’ireo mpitantana ao indray io vola io » , hoy hatrany izy. « Ny lalana mihitsy no nametraka io « caisse commune » io ka zaraina amin’izy ireo ».
Ankoatra izay, nisy ny fanadiovana ireo mpiasa tao izay nataony nandritra ny nitondrany. Nahitana olona maromaro manana birao kanefa tsy mpiasam-panjakana tao amin’io sampan-draharan’ny fananantany sy fandrefesantany io, hoy ity minisitra ity ka nesorina tao. 20 teo izy ireo tao amin’ny « domaine » ary 30 ny tao amin’ny « topo ». Nambarany tamin’izany fa tsy ekipany izy ireo dia nesorina ka ankehitriny raha ny henony ihany, niverina ao indray izy ireo. « Azo eritreretina ve ny fisian’ny mpiasa tsy raikitra ( benevol ) mandritra ny 4 taona ka tsy mandray karama? », hoy izy, kolikoly no dikan’izay.
Nomarihany fa zanak’olona ambony lava tanana manao fivelomana ao ireo mpanera tao amin’ny biraon’ny fananantany sy ny fandrefesantany ireo.

Tsy ampy ny fanazavana omen’ny « domaine »
DOMAINE ANTANANARIVO RENIVOHITRA 1Sahirana ny olom-pirenena amin’ny toerana sy biraom-panjakana tokony alehany rehefa hikarakara famindrana ny tany. Tsy fantatr’izy ireo dieny any am-piandohana ny toerana rehetra tsy maintsy alehany satria tsy manazava izany hatramin’ny farany ny mpiasan’ny « domaine » kanefa ireo mpanera kosa mahalala ny antsipirian’izany. Manginy fotsiny ny habetsahan’ny antota-taratasy ilaina rehefa amindran-tany iray. Noho izany, manjaka ireo mpanera sy ny kolikoly.

Manangana fikambanana angalarana ny tany
FITSARANA TOAMASINA 1“90 isan-jaton’ny raharaha eo amin’ny fitsarana any Toamasina dia tsy misy afa-tsy ady tany avokoa”. Efa tambazotra mihitsy ny fomba fangalarana tanin’olona any amin’iny faritanin’ny Toamasina iny. Nanambara ny tomponandraikitry ny fitsarana ao Toamasina, izay tsy nanaiky hitonona ny anarany, fa tambazotra matanjaka mihitsy ny fangalarana tany io raha ny ao Toamisana no lazaina. Anisan’izany ny ao amin’ny fitsarana, « domaine », vahiny sy Malagasy mpanambola ary ny tomponandraikim-panjaka sasantsasany.
Nohazavainy fa manangana fikambanana izy ireo ka manangona olana mba hakana ny tany. Andrianjafy RANDRIAMAMPIANINA ToamasinaNohamafisin’ ny talem-paritry ny minisitera fiadidian’ny repoblika misahana ny tetikasan’ny filoham-pirenena amin’ny fanajariana ny tany sy ny fampitaovana any Toamasina, Andrianjafy RANDRIAMAMPIANINA ihany koa io fisian’ny fikambanana na vondron’olona ampian’ny mpanao politika, fetsifetsy amin’ny halatra tany, miditra ao ireo mpangala-tany.“ Efa tambajotra mihitsy izy io sady fanaon’ny olona eto Toamasina”.
Maître TOTOVELONA Norbert toamasinaNiteny an’io fomba ratsy io ihany koa ny mpisolo vava iray ao Toamasina, i Maître TOTOVELONA Norbert, “Miavaka amin’ny faritra hafa satria amin’ny alalan’ny fikambanana hajoro ka manangona vahoaka no hakana ny tany be velarana kanefa efa manantompo sy hananan’ny tompony “titre””. Santionany amin’izany ny tao Belambo, Toamasina II izay tany mirefy 152 Ha manana « titre » amin’olon-tsotra kanefa iharan’izany fangalarana tany izany. Marihana fa efa mandeha eny amin’ny fitsarana ny raharaha ankehitriny. Raha ny fantatra ihany koa, miafina ireo tomponandraikitr’izany fikambanana izany ankehitriny.
Ankoatra io olana io,ny fipetrahan’ny olona ankeriny amin’ny tany efa manan-tompo, ny tanin’ny ministera misy mipetraka. Andian’olona no manao izany, hoy hatrany i Andrianjafy RANDRIAMAMPIANINA. Araraotin’ny izy ireo ny fanaovana “prescription acquisitive” ka milaza fa efa nanamaintimolaly ny tany.

Tsy maintsy mandray andraikitra ny lehiben’ny distrika.
Andry RAZAFINDRAKOTO toamasinaRaha ny vaovao azo avy amin’ny lehiben’ny distrika Toamasina II, Andry RAZAFINDRAKOTO fa efa eo andalam-pilaminana io raharaha-tany ao Belambo io. Nanamarika izy fa tsy misy idiran’ny distrika ny ady tany kanefa kosa rehefa manelingelina ny filaminam-bahoaka dia mandray ny andraikiny izy ireo. Ankehitriny, naato aloha ny fanomezan-dalana hanangana fikambanana satria nataon’ireo mpangala-tany fomba izany hanaovany ny asa ratsiny.

Miteraka olana ny BIF
« Miteraka olana betsaka eto amin’ny fitsarana Toamasina ihany koa ny BIF na ny Birao Ifoton’ny Fananantany izay noheverina fa hanamora ny fizakan-tany. Aty amin’ny fitsarana avokoa no mifatratra ny tsy fietezana rehatra », hoy ity tompondraikitry ny fitsarana ity. Tsy nisy ny fanitsim-panavaozana ireo « PLOF » na ny « Plan Local d’Occupation Fonciere »ao amin’izy ireo ka mahatonga izany. Nanamafy izany ny talem-paritry ny minisitera fiadidian’ny repoblika misahana ny tetikasan’ny filoham-pirenena amin’ny fanjariana ny tany sy ny fampitaovana any Toamasina, Andrianjafy RANDRIAMAMPIANINA. « Manome kara-tany ny BIF kanefa efa misy « titre » navoakan’ny « domaine » ka rehefa hikarakara izany eny amin’ny « domaine » ny manana ny kara-tany vao hita fa efa manan-tompo io tany io ka mitarika ny raharaha eny amin’ny fitsarana », hoy izy. « Olana lehibe noho izany ny fanitsahana andraikitra amin’ny BIF sy ny “domaine” .

Tomponandraikitra amin’ny olan’ny fananan-tany ihany koa ny « géomètre expert ».
Mifandraika amin’ny fananan’ny olona tany iray ny « géomètre expert » na ireny mpandrefy tany ireny. Izy ireo mantsy no mamaritra ny tany eny an-toerana sy mandika izany ao anatin’ny sari-tany. Fahadisoan-drefy tany amin’ny taona aloha ela be tany lasa misy fiatraikany aty aoriana aty rehefa mamerina mandrefy izany izy ireo. Lucien RANAIVOARISOA OGEM«Tsorina fa misy amin’ireo mpandrefy tany no manao fanahiniana mandiso ny eny an-toerana , izany hoe mampitombo ny anjaran’ilay olona kanefa tsy mifanaraka amin’ny saritany izay faritany », hoy Lucien RANAIVOARISOA, filohany OGEM na « Ordre des Géomètres Experts à Madagascar ».
« Manana andraikitra amin’ny olan’ny fananan-tany eto Madagasikara izahay geometre expert », hoy izy. « Misy aminay no manao atsirambina ny asany, manao fanahiniana mandiso izany. Eo ihany koa ireo mampiasa olona midina eny an-toerana kanefa tsy manana fahaiza-manao izany . Tsy maintsy ny geometre expert nanao fianianana ihany anefa no manao ny sonia ny sari-tany nataon’ny olona nalefany io . Azo antoka fa tsy maintsy misy ny adisoana. Ankoatra izay ny fahadisoan’ny faritry ny tany eny an-toerana izay tsy nandehany akory kanefa manao sonia ny sari-tany».Miara-miasa amin’ny BIANCO izy ireo amin’ny fanenjehana ireo « geometre expert » manao izany. « Efa fantatray ireo manao izany fa miandry porofo izahay », hoy hatrany izy.

Mila sahy ny mpitondra fanjakana.
Hitovizan’ny tomponandraikitra voalaza etsy ambony avokoa ny famadihana ny antontan-taratasy ho nomerika . Famongorana hatramin’ny fakany ny kolikoly indrindra ny toe-tsaina tia tena. Mila sahy ny fitondrana anatanteraka izany ary tsy ho mena maso mihitsy na dia iray antoko aminy aza ny maka izany tany izany an-keriny. Ho an’ ny « géomètre expert », mila havaozina ireo sarintany tany aloha rehetra noho ny fampiasan’izy ireo tamin’izany ny fitaovana nahita hadisoana miompampana ka avadika nomerika avy hatrany. Ny fananantany, hatao nomerika avokoa ireo boky fitahirizana ny fizakan-tany. Maika indrindra ny fanavotana ireo boky rovitra izay olana goavana ao amin’ny fananantany satria tsy afaka manao na inona na inona ny tompon’ny tany kanefa mbola tsy maintsy miandry ny volavolan-dalana izay ho laniana eny amin’ny Antenimierampirenena. Fampitombona ny mpiasan’ny fananantany mba ahafaingana ny fikirakirana ireo antonta-taratasy fangatahana famindrana tany. Mangataka ny fanamorana ny famindrana ny tany ireo olom-pirenena Malagasy sy hanomezana azy ireo fanazavana manontolo ireo taratasy ilaina sy ireo toerana alehany rehefa hamindra tany fa tsy ho tampoka amin’izy ireo hatrany izany. Momban’ny BIF, miezaka ny ministera tomponandraikitra mamaha ny olana mitranga ao ka ny fanomezana fiofanana ireo mpiasa no tokony hatao sy fanavaozana ireo PLOF ampiasain’ny kaominina.
Ankoatra ireo olana voalaza ireo, olana goavana ao amin’ity sampan-daharahan’ny fananantany sy ny fandrefesantany ity ihany koa ny boky rovitra izay araraotin’ny mpiasa hanaovana kolikoly ny fisiany.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *