Socio-eco

FANAKANAN-DALANA TAO MIANDRIVAZO : Sinoa iray maty voatifitra


Olona iray no maty tsy tra-drano vokatry ny tifitra nataon’ny dahalo ireo fiara mpitatitra, mampitohy an’Antananarivo sy Morondava ny alin’ny alatsinainy hifoha talata, tokony tamin’ny roa ora maraina. Fiara mpitatitra kaoperativa Sonatra miisa efatra fantatra amin’ny hoe tête de convoi no nisedra ny fanafihan’ny mpanakandalana, torabato narahina tifitra variraraka no nahazo ny fiara iray ary namantana teny an-tanibary rehefa tsy voatohitry ny mpamily intsony ny familiana sy ny fiantefan’ny torabato sy ny tifitra variraraka izay nisy niantefa teny amin’ny fihirifany.

Sahabo ho valo kilaometatra miala an’i Miandrivazo, ao anelanelan’i Morarano sy Analamaizina no nitrangan’ny loza. Marihina fa nisy ny mpitandro ny filaminana mpanaraka tao anatin’ny fiarakodia ary namaly avy hatrany ireto olondratsy izay vaky nitsoaka ny ala rehefa naheno ny poabasy namaly azy ireo, sinoa iray mpandeha ho any Morondava no maty tsy tradrano vokatry ny bala nifanitsy taminy tao anaty fiara. Noezahana ihany ny namonjy ny ainy, tany amin’ny Haopitaly Miandrivazo anefa dia tsy nisy azo natao intsony. Nisy ihany koa naratra vokatry ny toraka saingy efa nahazo fitsaboana avokoa, ity sinoa maty kosa efa nalefa namonjy any Morondava.

Efa tsy matahotra mpitandro filaminana intsony ny mpanakan-dalana amin’iny lalam-pirenena faha-34 iny amin’izao fotoana izao , maro ireo fiara mpitatitra olona taxi- brousse na koa fiara mitondra vahiny no mahita faisana . Manoloana izany, misy ny fepetra raisin’ny eo anivon’ny Zandarimariampirenena ao Morondava, amin’ny fametrahana miaramila misafo ireo toerana mafana.

Haingonirina Jacob


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *