Socio-eco

FANAJANA TONTOLO IAINANA SY FANOMEZANA LANJA NY SOSIALY: Orinasa voalohany teto Madagasikara nahazo fanamarinana B Corp ny WELIGHT


Misy fiantraikany tsara amin’ny  sosialy sy toekarena eto Afrika. Orinasa voalohany eto Madagasikara nahazo ny fanamarinana B Corp ny WELIGHT. Taorian’ny fanadihadiana natao tamin’ny orinasa dia tafiditra ao anatin’ireo orinasa 50 eto Afrika nahazo ny B Corps ity orinasa misehatra amin’ny famokarana sy famatsiana angovo azo havaozina ity. Marika  famantarana (label) iraisampirenena omena ny orinasa manaja ny fenitra iraisaina momba fitantanana orinasa mitandro ny tontolo iainana sy manome lanja ny lafiny ara-tsosialy ny B Corp. Ho an’ny WELIGHT dia anisany porofo mivaingana manamarina fa  misy fiantraikany amin’ny manodidina azy , eo amin’ny lafiny toekarena sy miteraka tombontsoa  ny fahazoany io « label » io.  » Faly tanteraka izahay fa tafiditra ao anatin’ny vondron’ny B-Corps eto Afrika sy  orinasa voalohany eto Madagasikara nahazo izany. Manamafy ny lanjan’ny tombontsoa vokarin’ny WELIGHT amin’ireo tolotra  omeny ho an’ireo mpisehatra ny fahazoana io label io », hoy Romain de Villeneuve, Tale Jeneralin’ny  WeLight Madagascar. Mihoatra lavitra ny salan’isa manerantany no azon’ny WELIGHT tamin’ny fanadihadiana natao azy satria 148,5 ny isa azony, mihoatra lavitra amin’ny salan’isa 96 azon’ireo orinasa hafa nahazo ny B Corp. Manasokajy ny WELIGHT ho orinasa miteraka fiantraikany be eto Afrika ny isa azony. Manome taratra ihany koa fa manampy amin’ny fisitrahana angovo madio sy mamokatra ho an’ny mponina any ambanivohitra ny fisian’ny orinasa. Tsy vitan’iza’y fa mandray anjara amin’ny fampiakarana ny tahan’ny olona misitraka herinaratra eto Madagasikara, mbola 15 %, ny tolotra omeny.

Fanamarinana tokana natao hijerena akaiky ny lafiny sosialy sy tontolo iainana eo anivon’ny orinasa ny B Corp. Dinihina ao anatin’izany ny fitantanana, fitsinjaram-pahefana, ny mpiara-miasa fa indrindra ny tontolo iainana.  Tany Etazonia, tamin’ny taona 2006 no niforona ity « label » tsy azo ihodiviran’ny orinasa ity. Ny B Lab East Africa no nanome an’i WELIGHT  ny B Corp. Niforona tamin’ny taona 2017 io rafitra io ary miara-miasa amin’ny orinasa afrikanina miisa 50, manome lanja ny mpiasa, fiarahamonina ary tontolo iainana.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *