Socio-eco

FANAJANA NY ZON’NY ANKIZY : Mitondra azy ho tomponandraikitra rehefa lehibe


Ho avin’ny fampandrosoana ireo ankizy. Rehefa voavolavola amin’ny tsara ny ankizy dia ho lasa moteran’ny fampandrosoana ny firenena. Noho izany, ho tomponandraikitra amin’izany fampandrosoana izany izy ireo rehefa lehibe. Miankina amin’ny fanajana ny zon’ny ankizy nefa no ahatanteraka an’izany. Tsapa anefa fa mbola betsaka ireo zon’ny ankizy tsy voahaja, toy ny fanambadiana ny zaza aloha loatra, 11 taona dia am-panambadiana ny ankizy any amin’ny faritra sasany. Tsy fampianarana ny ankizy, indrindra ny ankizy vavy, mbola kely dia alefa miasa. Betsaka ireo ankizy tsy vita vakisiny ka voan’ny aretina samihafa. Tsy fahazoan’ny zaza minono amin-dreniny araka ny tokony ho izy sy tsy fihinanana sakafo ara-dalàna, tsy fisotroana rano madio…

Izany indrindra no hikarakarana hetsika goavana ho fampiroboroboana zon’ny ankizy eto Madagasikara ny 29 Novambra 2019 ka hatramin’ny 01 Desambra 2019. Horesahana mandritra io fotoana io ny « pratique familiale essentielle » (PFE) na ny fihetsika fototra iantsorohan’ny ankohonana  ho atao amin’ny zaza manomboka any am-bohoka ka hatramin’izy lehibe mba hananany ny maha izy azy. Tanjona ny hametrahana ny fihetsika fototra fanaon’ny ankohonana amin’ny fanajana sy fampiharana ny zon’ny ankizy . 17 ireo zon’ny ankizy PFE ireo ka hatomboka amin’ny zo enina izany, hoy i Sahondra Rakotomalala, talen’ny serasera sy ny antontam-baovao eo anivon’ny « office national de conservation sur la décentralisation » ao amin’ny ministeran’ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana. Voalohany, ny fampononon-dreny manomboka eo amin’izy teraka ka hatrany amin’ny fahaenim-bolana, fahazoan’ny zaza sakafo maroloko fototry ny fahasalamana, tafiditra amin’izay ny fahazoany vitamine A sy ny tokony hinanana fanafody fanalana kakana, zo hanao vakisiny , fanasana tanana amin’ny savony, fanampiana ny ankizy mba hahavita ny fianarana farafahakeliny hatreo amin’ny CEPE kanefa tarihina hatrany amin’ny BEPC, fahaenina farany, ny  fiarovana ny ankizy amin’ny herisetra rehetra anisan’izany ny herisetra ara-nofo ary indrindra ny fanambadiana ny ankizy. «Fihetsika fototra fanaon’ny ankohonana afaka manova ny fiainany ary miantoka ny fiainany ho avy» no teny filamatra amin’io hetsika io.

Hanomboka eto Antananarivo ny hetsika ka hosokafana amin’ny fomba ofisialy  eo amin’ny Parvis Analakely, anoloan’ny lapan’ny tanàn’Antananarivo renivohitra ny 29 Novambra 2019. Hafa kely ity hetsika ity satria hisy ny « Voyage dans la vie de l’enfants ». Handeha ao anatin’ny fitateram-bahoaka  maro manerana ny boriboritany enina ireo mpanentana 160 nahazo fiofanana momba ny PFE. Isaky ny fijanonana dia hisy ny fanentanana amin’ny fihetsika fototra iantsorohan’ny ankohonana, hoy  ny talen’ny fahasalaman’ny tanora sy fiarovana azy ireo eo anivon’ny ministeran’ny tanora sy ny fanatanjahantena, Norohaingo Rakotoseheno. Ankoatra izay dia hisy ny hetsika ara-kolotoraly, fialam-boly, tantara an-tsehatra, « marionnette »… Mpanakanto maro no ho eny an-toerana, hivoy ny PFE. Haneho ny heviny ihany koa ireo ankizy ka anasana ireo ray aman-dreny.

Marihana fa izao hetsika izao dia hifandrimbonan’ny UNICEF sy ministera enina mivondrona ao amin’ny « Plateforme national », ny Ministeran’ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, ny Ministeran’ny tanora sy ny fanatanjahantena, ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka, ny Ministeran’ny mponina sy fiahiana ara-tsosialy, ny Ministeran’ny kolontsaina sy ny serasera ary ny Ministera misahana ny rano sy ny fidiovana ary  fanadiovana.

Nirina R.


One comment on “FANAJANA NY ZON’NY ANKIZY : Mitondra azy ho tomponandraikitra rehefa lehibe

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *