Socio-eco

FANAFIHANA NY FIARA « BRINKS »: Dimy ireo voasambotra


Mitohy ny fanadihadiana mombany raharaha fanafihan’ny fiara Brinks mitondra vola teny amin’ny lalan’ny By-pass Antananarivo. Nambaran’ny Commissaire Principal de Police SERALY Hercule avy ao amin’ny SCAC fa dimy hatramin’izay no olona voarohirohy izay voasambotry ny polisy avy ao amin’ny brigade criminelle nanomboka ny harivan’ny alatsinainy faha 15 aprily 2019.

Tao aorian’ny  filazana sy nametrahany fitarainana nataon’ny ramatoa iray fa tsy hita ny vadiny  nanomboka tamin’ny alahady 14 Aprily 2019 no nahafantarana fa anisan’ny iray maty voatifitry ny mpitandro filaminana ny vadiny rehefa natao ny fanadihadiana. Nitohy ny fikarohana ary nahazo angom-baovao marim-pototra ny polisy izay nahalalana ny trano sy toeram-piafenan’ireo naman’ity jiolahy voatifitra ity. Nandritra ny fanadihadiana dia voaporofo ary nambaran’ireo jiolahy voasambotra ireo, izay efa ananan’ny polisy antotan-taratasi-panenjehana izay mbola ao anaty famotorana fa anisan’ny nandray anjara tamin’ireo fanafihana mitam-piadiana nisesy farany teto Antananarivo izy ireo.

Anisan’izany ilay fanafihana teo amin’ny Galana Anony , sinoa teny Masay,  trano teny Androhibe, ny  teny amin’ny Mada Trade Ambohimanarina, ny teo amin’ny MEN Anosy ary indrindra ny fanafihana ny fiaran’ny Brinks teny amin’ny By-Pass ny sabotsy faha 13 aprily lasa teo. Mitovy hatrany ny fomba ataon’ireto jiolahy ireto amin’ny fanafihana mitam-piadiana izay ataony. Ankoatra izay dia nisy ny firaisan-tsikombakomban’izy ireo tamina mpiasa roa efa voaroaka tao amin’ny brinks sy polisy amperin’asa iray ary mpamily fiara karetsaka iray. Atolotra ny Fitsarana avy hatrany ireto olona ireto raha vao vita ny fanadihadiana momba azy ireo azy ireo.

Nirina R.


One comment on “FANAFIHANA NY FIARA « BRINKS »: Dimy ireo voasambotra

  1. Pingback: FANAFIHANA NY FIARA « BRINKS »: Dimy ireo voasambotra - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *