Socio-eco

FAMPIRANTIANA SARY MANOLOANA NY LISEA JEAN-JOSEPH RABEARIVELO: Mbola manjaka ve ny fihavanana?


Iza avy no tomponandraikitra raha misy ny olona sahirana? Ny fanjakana irery ve? Sa ny vahoaka koa manana andraikitra sy adidy amin’ny mpiara-belona? Tena mivoatra marina ve isika tao anatin’izay 60 taona nahazoana ny fahaleovantena izay? Raha tsy nivoatra dia inona no tsy nampivoatra antsika? Mipetraka ve ilay fihavanana? Mbola tadidintsika ve izany fihavanana izany?  Izany fiaraha-mientana izany? Inona izany mifanampy izany? Sa hoe amin’izao fotoana izao samy sahirana dia samy maka ho azy? Ireo fanontaniana ireo no napetrakin’ny mpanakanto Rakotoarivony Viviane rehefa nanontaniana ny anton’ireo sary nalainy izay hampirantiana manoloana ny Lisea Jean-Joseph Rabearivelo. Fiarahamiasa amin’ny Hakanto Contemporary ao anatin’ny fampirantiana mitondra ny lohateny hoe “Ny Fitiavanay” ity fampirantiana ny sangan’asany eny Analakely ity. Ny fakana sary momba ny maha olona no tena sehatra iasan’ny mpanakanto Rakotoarivony Viviane.

 Nampitondrain’ny lohateny hoe “Tomorrow” na ny “ampitso”  ireo sangan’asany hampirantiana manoloana ny Lisea Jean-Joseph Rabearivelo. Sarin’olona 12 mitantara ny zavatra lalina ao am-pony, alahelo, fanahiana, nandalo zava-tsarotra fa tsy kivy fa miatrika no hita eny an-toerana. “Rehefa tena nifampiresaka tamin’ireo olona ireo dia  ny azy tsy eritreretiny intsony fa ny fiadiana ny ho an’ny zanany sy ny taranany no tena mipetraka ao an-dohany. Rehefa mihatsara ny fiainany ny taranany dia izay  no atao  hoe: ho avy aminy”, hoy ity mpanakanto ity. Araka ny fanazavany dia santionany amin’ireo olona sahirana ireo fa eny amin’ny kartie tsirairay eny dia ahitana olona sahirana tahaka azy ireo. “Inona no andraikitry ny mpiara-belona manoloana ireo sahirana? Inona no zavatra azo atao, sa samy manao izay ivelomany sa misy vahaolana afaka apetraka? Tsy maintsy izaho foana ve no ampiana sa afaka manampy koa aho?” Valin’ireo fanontaniana ireo no hafatra tian’ny mpanakanto ampitaina. Hatramin’ny volana janoary 2022 ny fampirantiana. Amin’izao fotoana izao anefa dia efa misy mandrovitra ny sasany amin’ireo sary.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *