Socio-eco

FAMPIRANTIANA MOMBA NY LAMBA: Mpanakanto 20 mampiseho amin’ny fomba samihafa ny maha zavakanto ny lamba


Manan-danja eo amin’ny kolontsaina malagasy ny lamba. Tsy afaka misaraka amin’ny fiainana andavanandro, na fifaliana na fahoriana…Nampivondrona ireo mpanakanto maneho ny fomba fijeriny momba ny lamba – mampivoitra hevitra tsy manam-pahataperana – ny Hakanto Contemporary.  Mpanakanto 20 no hampiseho ny sangan’asany mandritra ny fampirantiana « Lamba Forever Mandrakizay ». Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny 8 jolay 2023 teny amin’ny  Alhambra Gallery,  Ankandimbahoaka ny fampirantiana andiany faha-7 karakarain’ny Hakanto Contemporary. Misokatra ho an’ny daholobe hatramin’ny 18 novambra 2023,  tsy misy saram-pidirana ny fampirantiana.

 Hitantarana zavabaovao momba ny lamba no tanjon’ny fampirantiana. Amin’ny alalan’ny zavakanto samihafa no hanehoana izany toy ny sary hosodoko, asa soratra, zaitra, rary, sarimihetsika… « Nampitondraina ny lohateny hoe: Lamba Forever Mandrakizay ny fampirantiana satria manomboka anio ary tsy manam-pahataperana no iresahanay momba ny lamba. Fampirantiana ny karazandamba misy (lamba Landy, landibe, landikely, lambahoany dia lamba,  ny lamba latabatra dia lamba…) miaraka amin’ireo  mpanakanto mampiseho fihetsehampo vaovao sy votoatiny vaovao momba ny lamba izy ity.  Amin’ny alalan’ny sarimihetsika, sary, asa soratra no hanehoan’ny mpanakanto ny maha zava-dehibe ny lamba », hoy Joël Andrianomearisoa, Tale ara-javakanto ao amin’ny Hakanto Contemporary sady anisan’ireo mikarakara ny fampirantiana miaraka amin’i Ludonie Velotrasina sy Rina Ralay-Ranaivo. Araka ny fanazavany dia mbola velona ny  10 amin’ireo mpanakanto mandray anjara ary efa tsy eo intsony ny 10 ambiny. Anisany miranty ao amin’ny Hakanto Contemporary ny sangan’asan’i Gad Bensalem, Jean Yves Chen, Tsiriniaina Irimboangy, Charles Edgar Lincoln, Joël Andrianomearisoa, Madame Zo,Nazaria Tooj, Jean Luc Raharimanana, Alphonse Rakotovao, Gaston Rakotovao, Emile Ralambo, Kevin Ramarohetra, A. Ramiandrasoa, Sandra Ramiliarisoa, Ramilijaona . H .Ranaivo, Nadia Randriamorasata, Rasolonjatovo,  Christian Sanna, Clée Rabeharisoa ary Charlotte Razafindrakoto.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *