Socio-eco

FAMPIANARANA: Mampihena ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny ny Airtel Madagascar


Maro amin’ireo ankizy eto Madagasikara no tokony hiditra an-tsekoly kanefa voatery mijanona noho ny tsy fahampian’ny enti-manana eo amin’ny ray aman-dreny. Na dia tsy andoavana saram-pianarana ihany koa aza any amin’ny sekolim-panjakana dia mbola vesatra ho an’ny  ray aman-dreny ny fividianana ny fitaovam-pianarana. Ho famahana izany indrindra dia mitondra ny anjara birikiny ho fanamaivanana ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny  ny Airtel Madagasikara isakin’ny  fidiran’ny mpianatra.   Nidina tany Morondava ny delegasionan’ny Airtel izay notarihan’ny Tale Jeneraliny  ny 15 septambra 2022  ary nanatitra fitaovam-pianarana ho an’ny mpianatrin’ny sekoly ambaratonga fototra (EPP) Namohara. « Lakile tena ilaina  amin’ny  fananganana ho avy sy hivoahana amin’ny fahantrana ny fanabeazana. Izany indrindra no nahatonga ny Airtel Madagascar manao hetsika tahaka izao ho fanohanana ireo tanora  amin’ny alalan’ny  fanomezana fitaovana tena ilaina mba hahazoany fahalalana ampy hanatanterahany ny faniriany”, hoy i Eddy Kapuku, Tale Jeneralin’ny Airtel Madagasikara. Ankoatra izany, nanolotra fitaovana toy ny kitapo, ny kahie, ny « trousse », ary penina ho an’ireo kilasy hanala fanadinam-panjakana sy ankizy mendrika indrindra ihany koa ity orinasam-pifandraisan-davitra  mitana ny laharana fahatelo eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ity.

Tsy afa-miala amin’ny nomerika

Nanolotra fitaovana informatika miampy « connexion internet » ho an’ny EPP sy fitaovana ho an’ny mpampianatra toy ny finday, “cartes SIM” miaraka amin’ny tolotra ahafahana miantso ihany koa ny orinasa                 Airtel ho fanamorana ny fiarahamiasa entina hanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana.  « Fototra iray  ahafahana mitondra aingavao amin’ny fampianarana ny nomerika. Noho izany, mahamaika ny fampiofanana ny mpampianatra  ny teknolojia vaovao ahafahan’izy ireo  migoka ny tombontsoa avy amin’ny fampiasana izany », hoy hatrany i Eddy Kapuku.  Soatoavina  arovan’ny orinasa ny firaisankina, ny fanajana ary ny herim-po ka ny hetsika tahaka izao dia entina hanatsarana ny fisitrahan’ny rehetra ny  rafi-pampianarana tsara kalitao sy mifanaraka amin’ny vanim-potoana.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *