Socio-eco

FAMPANANAN’ASA NY VEHIVAVY : Manosika ireo tovovavy sy vehivavy hiasa amin’ny sehatr’asa teknika sy nomerika ny Orange Madagascar


Mbola betsaka tolotr’asa sy ambony karama ny sehatr’asa teknika sy nomerika na ivelany na eto an-toerana. Mbola vitsy anefa ny olona misehatra amin’izany, fa indrindra ny vehivavy raha eto Madagasikara. 18 % monja no vehivavy malagasy amin’ireo mpiasa misehatra amin’ny asa teknika sy nomerika. Ho fampiakarana io taha io sy ho fanohanana ireo tovovavy sy vehivavy hisehatra amin’izany indrindra no nahatonga ny Orange Madagascar manatanteraka ny fandaharan’asa Hello Women. Efa nanomboka ny taona 2023 ny fandaharan’asa no nampiharina teto amintsika fa amin’ity taona 2024 dia sahan’asa maro no hotanterahana. Ho fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy ohatra dia nampahafantarina ny 7 marsa 2024, teny Antanimena ny sahan’asa “mentoring”. Tovovavy manana diplaoma Licence, Master 1 sy Master 2 no hotohanan’ny fandaharan’asa mandritra ny telovolana. Samy hanana “mentores” avy ireto “ViavyTech” ireto. Matihanina amin’ny tontolon’ny asa teknika sy nomerika, avy ao amin’ny Orange ireo “mentores” miisa 50 ireo. Misy ihany koa ny “mentores” matihanina amin’ny fitantanana arak’olona sy fandraharahana amin’ny sehatry ny teknolojia. “Fandaharan’asa manohana sy mampitombo ny isan’ny vehivavy  hiasa amin’ny sehatry ny teknika sy nomerika ny Hello Women. Ao anatin’ny fandaharan’asan’ny Orange  momba ny RSE izy ity. Maimaim-poana ny fiofanana omena ireo vehivavy”, hoy i Dina Mallet, Tomponandraikitry ny fiarahamiasa sy ny RSE ao amin’ny Orange Madagascar.

Ankoatra ny fampahafantarana ireo karazan’asa momba ny asa teknika sy nomerika dia manome fiofanana momba ny “coding” sy manomana ireo vehivavy hiditra amin’ny sehatry ny asa ary mizara traikefa ho azy ireo ny fandaharan’asa. “Ho an’ny taona 2024, ho tanterahina any Antsirabe, Fianarantsoa ary Toliara ny fandaharan’asa, ny volana aprily, ao anatin’ny fanamarihana ny fankalazana andro manerantany ho an’ny vehivavy mikirakira ny nomerika. Any amin’ny faritra Matsiatra Ambony, fanta-daza fa ivon’ny “Hub IT” eto Madagasikara no hankalazana izany ny 17 aprily 2024. Hitohy any avaratry ny Nosy, any Antsiranana, ny fampiharana ny fandaharan’asa, ny volana mey. Hisy ihany koa ny hetsika natao ho an’ny vehivavy manerana ny nosy  momba ny hackathon. Hanomana ireto tovovavy ireto ihany koa izahay mba ahafahan’izy ireo mandray anjara amin’ny zah@Geek, hetsika  momba ny sehatr’asa nomerika, karakarain’ny Orange digital center sy mihaona mivantana amin’ireo orinasa mitady mpiasa”, hoy i Carine Lefriec, Tale ara-barotra sy serasera eo anivon’ny Orange Madagascara.  Efa nahatratra 900  ireo tovovavy mpianatry ny lisea sy oniversite no voakasiky ny fandaharan’asa ny taona 2023.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *