Socio-eco

FAMPANANAN’ASA NY TANORA: Asa amin’ny sehatry ny nomerika an-jatony no itadiavana mpiasa mandritra ny Zah@Geek


Tosika hanamorana ny fitadiavana asa. Marobe ireo orinasa mitady mpiasa amin’ny sehatry ny nomerika saingy mbola vitsy ny olona manana fahaizana momba izany. Tosika hanamora ny fitadiavana asa ho an’ny tanora sy fanararaotra ahafahana mamantatra ireo karazana asa momba ny nomerika be mpitady mpiasa indrindra ny Zah@Geek. Hampihaonana ny tanora amin’ny orinasa mitady mpiasa amin’ny sehatry ny nomerika na teknolojia ihany koa ity hetsika natokana ho an’ny asa amin’ny sehatry ny nomerika eto Madagasikara  ity. Ny Orange Digital Center Madagascar no mikarakara azy. Ho tanterahina ny 21 sy 22 jona 2024, eny amin’ny Gare Soarano ny andiany fahatelo. Orinasa 40 mitady mpiasa amin’ny sehatry ny nomerika no mandray anjara amin’ny hetsika. Asa an-jatony no itadiavana mpiasa amin’io fotoana io. Handray mpiasa avy hatrany ireo orinasa mandritra ny roa andro. Hisy noho izany ny « job datings » « speed recruiting ». Tanora manana diplaoma sy mpitady asa 5000 ihany koa no andrasana ho avy mandritra ny Zah@Geek.

Ahitana fanentanana isan-karazany sy fanomezana torolalana momba ny asa amin’ny sehatry ny nomerika sy fampananan’asa ny hetsika. Ho resahana mandritra ny famelabelaran-kevitra ireo kazarana asa amin’ny sehatry ny nomerika. Ao anatin’ny lohahevitra ho resahana ohatra ny “Intelligence Artificielle” izay mitana andraikitra lehibe amin’ny fampiroboroboana ny orinasa sy fanatsarana ny andavanandrom-piainan’ny tsirairay. Hisy ihany koa ny atrikasa fiofanana (masterclass),  fifaninanana tetikasa momba ny “hackathon”. “Tena mbola betsaka ny asa manodidina nomerika raha oharina amin’ireo tanora vao nahazo diplaoma momba ny nomerika. Ny hetsika tahaka ny Zah@Geek dia vahaolana azo tsapain-tanana hamahana izany”, hoy i Frédéric Debord, Tale Jeneralin’ny Orange Madagascar, nandritra fampahafantarana ny hetsika, ny 18 jona 2024, teny Soarano. Nahomby ny hetsika Zah@Geek  andiany voalohany sy faharoa, natao ny volana janoary sy jona 2023. Mihoatra 6.000 ny mpitsidika tamin’ny andiany roa teo voalohany. 1.000 ny “entretiens” no vita ary 300 ny fitadiavana mpiasa teo no eo.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *