Socio-eco

FAMPANANAN’ASA: Karazan’asa mihoatra ny 140 no azo hanaovana fizaran’asa ao amin’ny Orange Madagascar


Laharam-pamehana ho an’ny orinasa Orange Madagascar ny  fampiofanana sy fampananan’asa ny tanora malagasy. Niroso tamin’ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa niaraka tamin’ny sekoly fampianarana ambony  Institut d’Etudes Politiques (IEP) sy ny Institut National des Sciences Comptables et de l’Administration  d’Entreprises (INSCAE) ny orinasa ho fanamafisana ny dingana efa  vita. Efa ela ny Orange no mandray mpianatra ao amin’ny IEP sy INSCAE  hanao fizaran’asa izay misandrahaka amin’ny sehatr’asa isan-karazany toy ny fitantanam-bola, fitantanan-draharaha, fanaramahaso. Mahazo tohana momba ireo karazan’asa misy ao aminy izay rehetra manao « stage » ao. Mihoatra ny 140 ny karazan’asa atolotry ny orinasa ary mandray mpianatr’asa 250 mahery isan-taona , araka ny fampitam-baovao voaray.

Hanampy ny mpianatra hahafantatra misimisy kokoa ireo sehatra marolafy, andraikitra sy karazan’asa  ity fiarahamiasa ity. Hanoro lalana azy ireo amin’ny famolavolana ny tetikasa tiany ho atsangana ihany koa.  Izany indrindra no antony nanangana ny Orange Digital Center (ODC) eto Madagasikara ho fanampiana ny tanora malagasy, na inona fari-pahaizany, hahafehy ny asa manodidina ny nomerika sy hanosehana haingana ny tetikasan’izy ireo. Marihina fa maimam-poana ny fiofanana rehetra omen’ny ODC.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *