Nanao antso fanairana ny Filoham-panjakana, indrindra ny fitsarana ny fikambanan’ny mpanao gazety mikirakira ny tontolo iainana eto Madagasikara (Associations des Journalistes Environnementaux na AJE) manoloana ny famoahana gadra politika. Tsy antony ara-politika velively no maha voasazy ny solombavambahoaka Ramanatanana Roméo Christophe fa ara-tontolo iainana, araka ny fanazavan’ i Andriantefiarinesy Njaka, Filohan’ny AJE, ny talata 21 oktobra 2025, teny Ambohidahy.
Hita teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ity solombavambahoaka voafidy tao amin’ny distrikan’i Soavinandriana ity, nandritra ny fampahafantarana ny Praiministry ny fiadidian’ny fanavaozana ny repoblikan’i Madagasikara, Rajaonarivelo Herintsalama, ny 20 oktobra 2025.
Nampatsiahy ny Transparency International Initiative Madagascar (TI-MG) fa voasazy higadra 10 taona an-tranomaizina izy noho fanondranana sokatra sy famotsiambola, miampy lamandy 60 tapitrisa ariary sy fandrotsahana vola 2 miliara Ariary ho an’ny fanjakana. « Mamparefo ny fanjakana tan-dalàna ny famoahana gadra tsy misy idiran’ny politika », araka ny fanambarana nataon’ny TI-MG.
Mitatitra vaovao, manaramaso ny fizotry ny fanadiahadiana akaiky, ary tafifditra ao anatin’izany ny fanarahana ny fiovaran’ny toedraharaha ny mpanao gazety. Manao antso fanairana ireo mpanao gazety mpikirakira ny tontolo iainana mivondrona ao amin’ny AJE fa « mirongatra ny trafika harena voanjanahary , ny doro tanety sy doro ala amin’ny vanim-potoana ny krizy toy izao. Indroa may ny faritra arovana Ankarafantsika tao anatin’ny roa andro misesy monja. Hita sy fantatra ihany koa ny doro ala manerana ny fartira maro,toy ny tranga tao Menabe, Manjakandriana…
Ra-Nirina



