Socio-eco

FAMBOLENA ARA-BIOLOJIKA: Ho zaraina amin’ireo tantsaha madinika ireo teknika ampiasaina


Voasafidy ao anatin’ireo firenena afrikanina miisa 5 hanatanterahana ny tetikasa  KCOA- KHEA i Madagasikara. Fandaharan’asa momba ny fanapariahana ny fambolena ara-biolojika, novolavolain’ny Bio Vision any Kenya izy ity ary tanterahana any Kenya, Tanzanie, Ouganda, Rwanda ary eto Madagasikara. Ny GSDM (matihanina amin’ny omba fambolena maharitra  na «agroécologie» sy ny Symabio no hisahana ny  fampandehanana ny tetikasa eto an-toerana.  Ho fanombohana ny asa dia nanatanteraka atrikasa ho fifampizarana ireo fahalalana sy traikefa momba ny fambolena  ara-biolojika ireo mpisehatra voakasik’izany, ny  zoma 12 mey 2023 teny Nanisana. Nanatrika ny fivoriana i Josephine Akia Luyimbazi, mpandrindra ny tetikasa KCOA- KHEA. «Ho fifampizarana traikefa sy ny fahalalana ho an’ireo firenena mampiasa ny fomba fambolena ara-biolojika  sy ahafahan’ny firenena afrikanina mahazo fahalalana momba ny fambolena ara-biolojika  no tanjon’ny tetikasa. Anisany mampihatra ny fambolena ara-biolojika i Madagasikara ary efa manondrana vokatra ara-biolojika  ka izany indrindra no naha voasafidy azy hisitraka ny tetikasa, tahaka an’i Burundi sy Ethiopie», hoy izy.  Mifototra amin’ny sahan’asa telo ny fandaharan’asa: ny fanagonana sy fankatoavana ireo fahalalana sy traikefa momba ny fambolena ara-biolojika, ny fampahafantarana sy ny fizarana izany ary ny fananganana tambazotra ho an’ireo misehatra momba ny fambolena ara-biolojika. «Hankatoavina ireo fahalalana voaangona.  Olona avy eto Madagasikara, mpisehatra amin’ny fambolena ara-biolojika, Ministera, mpikaroka, ONG, mpamokatra  avy amin’ny orinasa tsy miankina no hanome fankatoavana . Ho avadika ho horonantsary na fiche technique izany  avy eo ary ho apariaka ho an’ny rehetra», hoy  i Raharison Tahina,  manam-pahaizana momba ny fifandraisan’ny  fambolena sy ny toekarena avy ao amin’ny GSDM. Nambarany fa hisy ny fampiofanana  ho lasa mpampiofana momba ny fambolena ara-biolojika ary izy ireo indray no hanofana ireo teknisiana. Ireto farany kosa no hampita izany amin’ireo tantsaha.

Ho an’ny fahasalamana sy ny tontolo iainana

Lafo dia lafo ny fahazoana ny fanamarinana fa vokatra biolojika no vokarina raha ny eto Madagasikara. Orinasa iray (Ecocert) ihany no mbola afaka manome izany eo amintsika. Manana vina ny tetikasa  hanangana rafitra iray ahafahana manalefaka ny sarany fahazoana izany mba ahafahana manome fankatoavana ireo tantsaha mampihatra ny fambolena ara-biolojika. «Tsy voatery ho afaka  manondrana ireo tantsaha raha mahazo izany fanamarinana izany saingy voamarina kosa fa vokatra biolojika no vokariny satria mila sakafo ara-pahasalamana  ny Malagasy ary manampy amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ity fomba fambolena ity noho ny tsy fampiasana akora simika», hoy  Raharison Tahina. Efa an-jatony no mpisehatra mamokatra vokatra biolojika eto amintsika ary vokatra ahondrana no betsaka.  Anisany hampivelatra ny tsena ato anatiny momba ny vokatra biolojika ny tetikasa  KCOA- KHEA.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *