“Zo an’i Madagasikara tanteraka ny misitraka famatsiambola maitso ho an’ny toetrandro”, hoy i Ravelomanana Lova Kanto, mpandrindra ny birao nasionaly misahana ny fiovan’ny toetrandro, ny karbona sy ny fampihenana ny etona mangeja hafanana avy amin’ny fandripahana sy fandringanana ny ala (BNCC REDD+), ao amin’ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy (MEDD). Nambarany fa “firenena tsy nandray anjara betsaka tamin’ny fiovan’ny toetrandro” i Madagasikara saingy ao anatin’ireo firenena marefo mizaka ny fiatrainkan’izany. Anisany misitraka ny famatsiambola maitso ho an’ny toetrandro na “Fonds Vert pour le Climat” ny firenena malagasy, amin’ny alalan’ny tetikasa miompana amin’ny fiarovana ny rohivoahary eto amin’ny ranomasimbe indiana, tohanan’ny “Critical Ecosystem Partnership Fund” na CEPF. Mitentina 50 tapitrisa dolara ny famatsiambola ka ny 39 tapitrisa dolara dia avy amin’ny famatsiambola maitso ho an’ny toetrandro, avy amin’ny Vondrona eraopeanina ny 10 tapitrisa dolara ary avy amin’ny Fondation Franklinia ny iray tapitrisa dolara. Ny Agence Française de Développement (AFD) no mitantana izany. Firenena efatra (4) eto amin’ny ranomasimbe indiana : Madagasikara, Maurice, Seychelles ary Comores no misitraka izany.
Manohana ny velontenan’ny mponina
Madagasikara no mahazo famatsiambola betsaka amin’ity tetikasa ity (10 tapitrisa dolara). Ho entina hanohanana ireo firaisamonim-pirenena (OSC) miasa ho an’ny fiarovana ny kara-java-mananaina ny famatsiambola mba hisy fiantraikany mivantana amin’ny mponina. Miompana amin’ny fiarovana ny rohivoahary, ny fambolen-kazo, ny fanatsarana ny velontenan’ny mponina eny ifotony ny tetikasa. Omen-danja manokana ny fandaharanasa mifototra amin’ny famerenana ny ala, misintona ny etona karbona. “Miankina amin’ny rohivoahary ny fiainan’ireo mponina eny ifotony. Mety hanimba izany ry zareo mba hamelomany ny vady aman-janany. Miaro izany izy ireo rehefa mahatsapa fa hanampy azy amin’ny fivelomanana ny fiarovana ny tontolo iainana”, hoy i Ravelomanana Lova Kanto, mpandrindra ny BNCC REDD+. Mandritra ny 10 taona ny tetikasa, efa nanomboka ny taona 2021 ary tsy hifarana raha tsy ny taona 2031. Nisy ny atrikasa fanaovana tombana ny asa vita, ny 6 ka hatramin’ny 8 mey 2025, teny amin’ny Novotel Ivandry Alarobia, niarahana tamin’ireo mpamatsy vola sy ireo OSC misitraka ny famatsiambola ary ireo sampandraharaham-panjakana voakasiky ny fandaharanasa.
Ra-Nirina