Socio-eco

FAKO PLASTIKA: Azo avadika biriky hananganana trano


“Mafy noho ny  beton, tsy mety vaky ny  biriky vita amin’ny plastika”, hoy i Sarobidy Nombantsitoha, mpanorina sy mpitantana ny tetikasa Plastikôo. Nambaran’ity mpahay rafitrano ity fa azo iainana tsara ny trano amboarina amin’ny  biriky vita amin’ny plastika. Vao avy nandrombaka ny amboara tamin’ny fifaninanana « Prix International Orange Summer Challenge 2024» ny tetikasa Plastikôo. Tanora malagasy miisa 10, samy manana ny fahaiza-manaony no niara-namadika ny hevitr’i Sarobidy Nombantsitoha  ho lasa tetikasa. Tohana ara-bola mitentina 28.000 euros, miampy  tosika fampiroboroboana ny tetikasa  no loka  azon’ireo.  Fifaninanana nokarakarain’ny Orange Digital Center (ODC)  ho an’ny tanora manerana ny Afrika sy Moyen Orient ny Orange Summer Challenge (OSC). Ho fampiroborobana ny fandraharahana sy ny fahaiza-manao ara-teknolojia fa indrindra ho famoronana vahaolana ara-nomerika sy maharitra ary misy fiantraikany ara-tsosialy ny OSC.  Miendrika fiofanana, mandritra ny telo volana, ny fifaninanana ka ao anatin’izany ireo ekipa tsirairay no mamolavola ny tetikasany. Ireo mpandresy amin’ny fifaninanana nasionaly no mandray anjara amin’ny dingana iraisam-pirenena. Firenena 14 avy eto Afrika sy avy ao Moyen-Orient no nifaninana tamin’ny « Prix International Orange Summer Challenge 2024 ». Madagasikara no  nahazo ny laharana voalohany, tamin’ny alalan’ny Plastikôo. Nitana ny laharana faharoa ny tetikasa MEPS, mpandray anjara avy any Tunisie. Laharana fahatelo kosa i Cameroun, tamin’ny alalan’ny tetikasa LeevLong. Nmapahafantarina ny 20 febroary 2025, tany Casablanca, Maroc ny anaran’ireo mpandresy. Natolotra tamin’ny fomba ofisialy ny 12 martsa 2025, teny amin’ny ODC Soarano kosa ny lokan’ny ekipa malagasy.

Mandray sy mividy ireo fako plastika

Niainga tamin’ny fahitana ny fiparitahan’ny fako be loatra teto Antananarivo no nampitsiry ny hevitr’i Sarobidy Nombantsitoha. Nisoratra anarana avy hatrany izy vao nisokatra ny fifaninanana Orange Summer Challenge (OSC) 2024 teto Madagasikara. Tao amin’ny OSC no niforona ny ekipan’ny Plastikôo. Noho ny fiofanana momba ny fampiasana ny teknolojia nomerika nomena dia afaka nanangana ny milina hanodinana  ny fako plastika ho lasa biriky  ny ekipa. Mbola modely  na «prototype» ny milina fa ny mpikambana ihany no hanangana ny milina tena izy. Hanamboatra milina ahafahana manangona sy mividy ireo fako plastika ihany koa ny PLastikôo, araka ny fanazavan’ny mpitantana ny tetikasa. « Miara-miasa amin’ny mpanangona plastika izahay ka mividy ireo plastika. Nanamboatra milina hanangonana tavoahangy plastika ihany koa izahay. Mahazo vola vidina tavoahangy izay mandrotsaka ao. Eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato no hametrahana azy voalohany ary ny faniriana dia ho apetraka isaky tsena na kaominina fa amin’ny toerana voaaro. Hampandray andraikitra ny olom-pirenena izahay mba tsy hanarinary fako », hoy i Sarobidy Nombantsitoha. Arakaraka ny lanjany ny vidin’ny plastika, manomboka amin’ny 30 ka hatramin’ny 200 Ariary.  Nambarany fa tsy plastika rehetra no azo avadika ho biriky fa ireo karazany mafy toy ny tavoahangy, koveta, boatina «yaourt». Hampihena ny fandotoana no tanjon’ny tetikasa ka manana vina hanodina plastika 300 taonina isan-taona. Nanamafy izy fa plastika tsy misy fangarony no hanodinana ireo biriky. Hitsangana ato ho ato ny «atelier»  an’ny Plastikôo, araka ny fanazavany hatrany. Miantefa any amin’ireo fikambanana na orinasa na olona mpandala ny ekolojia ny vokatr’izy ireo.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *