Socio-eco

Fako eto Antananarivo Renivohitra: Hiandry ny filoham-pirenena indray ve ?


Mivangongo tsy misy mpanangona ny fako eny amin’ny daba fanariana azy eto Antananarivo renivohitra. Ireo mpivarotra akoho aman-borona no efa zatra fa raha ianao sendra ao anaty fiara fitateram-bahoaka no mandalo amin’iny ambodin’Isotry iny, tsy mahazaka ny fofona aterak’izany. Ahitana fako misavovona ihany koa eny Andohatapenaka, eny amin’ny tsenan’Anosibe…Ny SAMVA no tomponandraikitra mandraoka ireny fako ireny. Aiza izy amin’izao  fotoana izao ? Handrasana hirongatra indray ve ny aretina ateraky ny loto sa hiandry ny filoham-pirenena hiantso hanao fanadiovana faobe ve vao hanala ireo fako mivangongo ireo ?

Miantoka ny fahasalamana ny fahadiovana. Rehefa miparitaka ny loto, mora mirongatra ny aretina. Dradradradraina ankehitriny ny vina fisandratana an’ny filohan’ny repoblika, Hery Rajaonarimampianina. Atao inona ny vinan’ny fisandratana raha ny fahadiovana aza tsy voatandron’ny fitondram-panjakana?

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *