Edito

FAHATAPAHAN-JIRO MAHARITRA : Inona no tena marina ?


Efa tsy zoviana amin’ny Malagasy rehetra ity atao hoe « fahatapahan-jiro maharitra na delestazy » ity. Fanina tanteraka ny mpanjifa ny herinaratry ny JIRAMA ankehitriny noho ny hafitsoky ny fahatapahana efa ho adin’ny telo amin’ny faritra maro eto Antananarivo. Ny tena mampalahelo, ny fanilihana ny olana amin’ny hafa.

Anterivava : Hery RAJAONARIMAMPIANINA

Vao tsy ela izay nilaza ny filoha Hery RAJAONARIMAMPIANINA fa ireo mpitondra teo aloha no tsy nanana vina ary niteny mihitsy aza izy fa ananantsika ny rivotra, ny masoandro, ny rano afahana mahazo herinaratra. Ahina mihitsy ny hilazan’ny mpitondra atsy ho atsy fa Andriamanitra no fototr’izao delestazy eto amintsika izao satria efa hain’izy ireo ny manilika ny olana amin’ny hafa. Ny filoha ankehitriny anefa fony izy nanao fampielezan-kevitra fa telo volana dia ho afaka io delestazy io. Taitaitra ve izy nilaza an’io sa noho ilay laharana faha – 3 tamin’ny bileta tokana ? sa efa nanana vahaolana izy fa nisy ny sakana rehefa tonga teo amin’ny fitondrana ?

Anterivava : Olivier SOLONANDRASANA

Tsy ela koa izay fa vao tamin’ny volana desambra 2016 no nilazan’ny praiministra Olivier SOLONANDRASANA fa tsy azo ekena intsony ny fahatapahan-jiro lava reny ka nanome baiko izy. Fanontaniana mipetraka, iza ilay nomena baiko ? sa efa tsy mandray baiko intsony ny tomponandraikitra tandrify izany ? Ahina ihany koa ny anomezana baiko an’ Andriamanitra raha mbola mitohy izao. Enga anie tsy ho tonga amin’izany. Teto ihany koa izy nanilika ny olana tamin’ny mpanjifa mangalatra, ny tsy fifehezana ireo solika lanina, ny tsy fitakina ny faktiora. Efa voalazan’ny praiministra raha teo ny tsy fisian’ny rano ao Andekaleka. Ny mahagaga ny maro ny tsy faneken’ny tomponandraikitra fa tsy mahavita mamaha olana izy ireo miantomboka any amin’ny filoham-pirenena izany mandalo ny praiministra, ny ministra rehetra mifandraika amin’ny olana ka hatrany amin’ireo tomponandraikitra ao amin’ny JIRAMA.
Noho io olana mahazo ny JIRAMA io, maminavina ny olom-pirenena hoe : sao kosa manam-paniriana hiala amin’ny fitantanana ny fanjakana ( privatisation ) tahaka ny nanaovana ny SOLIMA sy ireo hafa…Eo ihany koa ny mety hanesorana ny praiministra noho io antony io. Ho hita eo ny tohiny zava-marina ao ambadik’ity delestazy ity, ny mpitondra tsy milaza ny tena marina fa manilika izany any amin’ny hafa.
Nirina R.

HORONAN-TSARY : Filoha

Praiministra


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *