Socio-eco

FAHASAMBARAN’NY MPIVADY : Voavidy vola


Akora voajanahary tsy miteraka voka-dratsy 100 % hikoloana ny endrika amam-bika ny vokatra vokarin’ny HBSN (Huile de beauté et soins naturels). Manao fihenam-bidy ny orinasa eny amin’ny Fier Mada. Hifarana ny alahady 05 aogositra 2018 eny amin’ny kianjan’ny Makis Andohatapenaka ity hetsika ity. Hita eny an-toerana avokoa ireo vokatra natokana ho an’ny vehivavy sy ny lehilahy. « Misy ny fanadiovana tarehy, fanalana ketrona…Raha lehilahy teny hanalehibe filahiana dia manana vahaolana amin’izany ny orinasa », hoy i Profesora Jean Noel Razafintsalama, tale jeneralin’ny HBSN.
Ho an’ny lehilahy efa nahazohazo taona ka manana olana amin’ny fanaovana firaisana ara-nofo dia manana tolotra ny HBSN. « Azo vidiana ny fahasambaran’ny mpivady ». Marihina fa akora voajanahary avokoa no ampiasain’ny orinasa.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *