Socio-eco

FAHA 80 TAONA NY SEKOLY LYPARS : Tetikasa maro no hotanterahana


Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny Alahady 05 Mey 2019 lasa teo ny fankalazana ny faha-80 taonan’ny Lycée Privé Adventiste Rajoelison Soamanandrariny (LYPARS). Nentina ambavaka izany fankalazana izany ary tao aorian’izany ny fandinihana ireo tetikasa entina ho fanamariahana ny faha-80 taonan’ny sekoly. Tonga maro ireo maintimolaly, ireo mpianatra ary mpampianatra nandalo tao amin’ny sekoly tamin’io fotoana io. Tsy diso anjara ihany koa ireo ray aman-drenin’ny mpianatra sy ireo mpianatra mbola mianatra ao amin’ny sekoly advantista Soamanandrariny ary ireo olona manam-pitiavana ny sekoly. Tetikasa no ho atao tsangambaton’ny faha-80 taona ka hatsaraina ny endriky ny sekoly, ny fampidirana “connexion internet” ho an’ny mpianatra, ny fananganana “salle d’informatique”. Antenaina fa ho vita ary ho tokanana amin’ny ivon’ny fankalazana ireo vinavinan’asa ireo.

Manomboka any amin’ny Prescolaire ka hatramin’ny kilasy famaranana ny ambarantongam-pampianarana hita ao amin’ny sekoly. Mampiavaka ny LYPARS ny fisian’ny “activité parascolaire” izay tsy maintsy atao toy ny fianarana zaitra, sakafo, mofomamy sy ny maro hafa. “Fanabeazana mira fanavotana no tarigetran’ny sekoly. Eo ny fanabeazana akademika, ny ara-panahy fa indrindra ny fahaiza-manao. Afaka miasa avy hatrany ireo mpianatra rehefa vita ny kilasy famaranana. Ny taona 1939 kosa no niforona ny sekoly advantista Soamanandrariny.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *