Socio-eco

FACEBOOK FLEX: Ahafahana mijery maimaim-poana tranokala 15 isa


Politikan’ny fitsitsiana kanefa manampy ny daholobe hisitraka ny “aterineto”. Io no zava-kendren’ny tolotra “Facebook Flex”. Nampahafantarina ny zoma 13 septambra 2019 teny amin’ny Tour Ankorondrano fa mivoatra hatrany io tolotra omen’ny Orange ny mpanjifa io. Nahafantarana ny tolotra nanomboka tamin’ny taona 2016 ka hatramin’izao ny fahafahana manaraka ny vaovao ao amin’ny “facebook”, mandefa “statut”, mandefa “commentaries”, tsy an-kiato kanefa tsy andoavam-bola. Ankehitriny dia tranokala miisa 15 azo jerena maimaim-poana amin’ny alalan’ny tolotra “facebook flex”, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny orinasa Orange eto Madagasikara, Degland Michel. Ao anatin’ny lisitr’ireo tranokala azo tsidihana maimaim-poana ny wikipédia, BBC Afrique, RT France, Accuweather, voice of America Afrique… ary amin’ny alalan’ny fitsidihana ny tranokala 0.freebasics.com no lalana hijerena azy ireo. “Karatra SIM Orange sy 500 Ariary ny fepetra takiana”, hoy ny talen’ny fitantanana ny maha olona, Andriatsilavo Zo. Mila manana  fahana 500 Ariary no mihoatra raha te hampiasa ny tolotra “Facebook Flex”. Tsy alain’ny Orange ao anaty kaontim-bolanao  io fahana io. Noho izany, mbola azo ampiasaina amin’ny  antso na handefasana hafatra.

Tafiditra ao anatin’ny fandaniam-bolan’ny Malagasy sasantsasany ny fividianana fahana hampiasaina amin’ny fikirakirana ny tambazotran-tserasera sosialy toy ny “facebook”.  Nanamafy i Degland Michel fa ao anatin’ny paikady hanamoràna ny fisitrahan’ny daholobe ny aterineto  ity tolotra ity. Noho izany, hanohy ny ezaka efa vita amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara amin’ny lafiny nomerika ny orinasa.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *