Socio-eco

eSIM: Teknolojia mikolo ny tontolo iainana


Namoraina kokoa ny fampiasana ny tolotra  Airtel. Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny 27 martsa 2023 teny Ivandry fa afaka mampiasa ny tambazotra Airtel ny mpanjifa na tsy manana karatra SIM hita maso aza. Manomboka izao dia afaka mampiasa ny eSIM ny eto Madagasikara. Karatra SIM tsy hita maso na antsoina hoe: SIM virtuelle ity teknolojia vaovao ity. Ny Airtel irery ihany no mbola tambazotra manome izany, araka ny fanazavan’ny Tale Jeneralin’ny orinasa, Eddy KAPUKU. Tsy voatery mandeha any amin’ny toeram-pivarotana Airtel vao afaka mahazo karatra SIM. Afaka mahazo eSIM na aiza na aiza ary afaka misitraka ireo tolotra rehetra omen’ny Airtel. Tombony amin’ny fampiasana eSIM ihany koa ny fiarovana ny tontolo iainana. «  Mila plastika ny fanamboarana karatra SIM. Teknolojia mikolo ny tontolo iainana noho izany fampiasana ny eSIM. Ao anatin’ny vinan’ny orinasa rahateo ny ho tomponandraikitra miaro ny tontolo iainana », hoy izy. Nanamafy i Ratsimbarison Anna, Tomponandraikitrin’ny serasera ao amin’ny Airtel fa mety amin’ny olona  mandeha any ivelany matetika ny fampiasana eSIM satria mora ho azy ny manova tambazotra hafa. Raha very ihany koa ny finday dia tsy misy intsony ny very karatra SIM rehefa eSIM no ampiasaina. Mbola tsy natao ho an’ny finday rehetra ny eSIM hatreto fa raha te hahafantatra fa afaka misitraka izany dia tsindriana ny *#06#. Raha misy EID mipoitra ao dia afaka mampiasa eSIM. Mandefa hafatra any amin’ny « service clientèle » ny Airtel raha te hahazo eSIM avy eo. Afaka mangataka karatra SIM tsy hita maso avokoa na efa manana nomerao Airtel na tsia, na te hanana nomerao maromaro na te hamadika ny karatra hita maso ho tsy hita maso. Maimaimpoana ny fahazoana izany hatramin’ny faran’ny volana aprily 2023.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *