Socio-eco

eSIM: Efa afaka mampiasa azy ny mpanjifa Orange


Maro ny tombontsoa avy amin’ny fampiasana ny eSIM raha tsy hilaza afa-tsy ny fahazoana mampiasa laharana roa kanefa tsy voaelingelina,  fiarovana ny tontolo iainana. Karatra SIM 100 % tsy hita maso ny eSIM. Nandritra ny fivahinianan’ny ekipan’ny Orange Madagascar izay notarihin’ny Tale Jeneraliny -Frédéric Debord tany Morondava, ny herinandro lasa teo no nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy fa efa misy ny eSIM Orange. Tsy mila SIM hita maso intsony ny mpanjifa raha te hanana nomerao Orange. Noho ny fisian’ny eSIM Orange dia afaka misitraka ireo tolotra rehetra ao amin’ny tambazotra Orange ny mpanjifa toy ny antso, SMS, internet na Orange Money ireo mampiasana izany. Nandritra ny fihaonana tamin’ny mpandraharaha tao Menabe no nampahafantarana izany.

Tany Antalahana ihany koa ny ekipan’ny Orange Madagascar, ny 10 Mey 2023. Nihaona tamin’ireo mpandaharaha i Frédéric Debord sy ny ekipany ary nampahafantatra ny fisian’ny Wifiber. Tolotra internet tsy manam-petra, haingam-pandeha an’ny Orange ny Wifiber. Mety tsara  amin’ny fandraharahana sy ny sehatra lavanila ny tolotra Wifiber Pro satria afaka mifandray amin’izao tontolo izao amin’ny fotoana rehetra. Raha ho an’olon-tsotra kosa dia manamora ny fijerena horonantsary amin’ny alalan’ny streaming na ahafahana misintona «fichiers» haingana. Efa miparitaka eto Antananarivo, any Fort Dauphin, Mahajanga, Toamasina, Fianarantsoa, Sambava, Antsirabe, Nosy Be, Antsiranana, sy  Morondava ity tolotra internet ity.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *