Socio-eco

« ENTREPRENDRE FEMININ OCEAN INDIEN »: Sady atao ny fandraharahana no karakaraina ny tokan-trano


Zava-dehibe ny fandraisan’ny vehivavy andraikitra amin’ny toe-karena eto Madagasikara. Tsara ihany koa anefa ny mivondrona mba hifampizara traikefa sy ny fandrindran’ny maha renim-pianakaviana mikarakara ny tokan-tranony sy ny fandraharahana. Izay indrindra no antom-pisian’ny « Entreprendre féminin océan indien » (EFOI) izay fikambanan’ny vehivavy  malagasy mpandraharaha eto Madagasikara. Nanatanteraka ny fivoriam-beny izay fanaony isan-taona ny EFOI Antananarivo ny faran’ny herinandro teo. Manandanja ity fivoriana ity satria nanao fifidianana birao vaovao hitantana ny EFOI Antananarivo ao anatin’ny roa taona manaraka, ny taona 2019 ka hatramin’ny taona 2020 satria efa tapitra ny fe-potona nitantanan’ny ity EFOI Antananarivo ity.

Nanao jery todika amin’ireo zava-bita nandritran’ny taona 2016 ka hatramin’ny taona 2018 kosa ireo mpivory. Nojerena ireo tombotsoa betsaka azon’ny mpikambana, toy ny fiofanana isan-karazany azon’izy ireo. Eo ihany koa ny lesoka tokony  harenina.

Natao ity fikambanana ity mba hifandraisan’ny mpandraharaha vehivavy sy ampivoatra ny fandraharahana hataony ary indrindra ny hifanampiana. Mampita ny hafatra amin’ny vehivavy te-handraharaha ihany koa ny fikambanana. Mifandray amin’ny minisitera sy ireo fikambanana maro isan-karazany izay miara-miasa aminy.

Marihana fa miisa 50 ny mpikambana ao amin’ny EFOI Antananarivo.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *