Socio-eco

EGYPTE: Hitondra ny fahaiza-manaony amin’ny fitantanana ny rano sy famatsiana rano ho an’ny fambolena eto Madagasikara


Hiafara-amin’ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa. Nanao fitsidihana tany Egypte ny  delagasiona malagasy nahitana ny  Ministry ny rano, ny fanadiovana ary fidiovana, Fidiniavo Ravokatra, ny Governoran’ny faritra Androy – Soja Tsimandilatse Lahimaro sy ny Governoran’ny faritra Anosy – Jocelyn Raharimbola ary ny Talen’ny kabinetran’ny Ministeran’ny rano ny 27 aogositra ka hatramin’ny 2 septambra 2022. Nandritra ny fifanankalozana nataon’ny delagasiona malagasy tamin’ireo manam-pahefana avy amin’ny governemanta ejiptianina toa an’ny ministry ny rano sy famatsiana rano ho an’ny fambolena – Dr. Hany Swilam, ny ministry ny fambolena – ElSaid Elkosear, ny ministry ny fampandrosoana eny ifotony – Jeneraly Hesham Amena ary ny  Governoran’ny Louxor – Mostafa Alham dia hita fa afaka hampiroboroboana ny fitantanana ny rano sy famatsiana rano amin’ny fambolena eto Madagasikara ny traikefan’i Egypte. Nanamafy ny solontenan’ny governamanta ejiptianina fa hanohana ny fanjakana malagasy amin’ity sehatra ity. Nitsidika ny toeram-pambolena tantanan’ny sehatra tsy miankina amin’ny fanjakana, ireo fikambanana misahana ny fampiofanana sy fanodinana vokatrin’ny fambolena, ny rafi-piarahamonina mitantana ny rano, ny ivon-toerana momba fikarohana ara-pambolena an’ny ministeran’ny fambolena any Egypte ihany koa ny delegasiona malagasy. Nanamora ny fanatanterahana izao fitsidihana izao, tamin’ny alalan’ny fiarahamiasa Atsimo-Atsimo, ny sampandraharahan’ny firenena mikambana misahana ny sakafo (PAM). Teo ihany koa ny fanohanan’ny Ambasadaorin’i Egype miasa eto Madagasikara, Usama Saeed Mahmoud Khalil. Anisany nanatrika ny fihaonana tany Egypte ny solontenan’ny PAM eto Madagasikara -Pasqualina Di Sirio sy solotenan’ny PAM any Egypte – Praveen Agrawal. “Ny fitsidihana natao dia mampiseho fa azo tsapain-tanana ny fahaiza-manan’i Egypte ary mandroso tokoa ny teknika ampiasainy amin’ny fitantanana ny rano sy fampiasana izany amin’ny fambolena. Afaka manararaotra mampiasa izany traikefa izany  i Madagasiaka ho fiatrehana ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetrandro any Atsimo sy ho fanohanana ny mponina amin’ny fahampian-tsakafo”, hoy i Pasqualina Di Sirio.  Nambarany ihany koa faly ny PAM fa afaka nanamora ny fanatanterahana ny fifanankalozana ary manamafy fa ny “fiarahamiasa Atsimo-Atsimo”  dia fototra iray hanampy amin’ny fikarohana vahaolana mifanaraka  sy mahomby amin’ny fanampiana ny mponina hiatrika ny dona vokatry ny toetrandro. Tsy ho ela dia hiroso amin’ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa amin’ny lafiny famatsiana rano sy ny famatsiana rano ain’ny fambolena ny firenena roa tonta.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *