Socio-eco

Echos de Mavoloha « Ils ont dit… »


Rakotonirina Gérard, Président OJM

IMG_6980Miarahaba ny mpanao gazety rehetra noho ny taombaovao ary mirary ny fanohizana ny asa ao anatin’ny fahamendrehana ho mendrika kokoa ny fahatokisan’ny fiarahamonina izay manankina andraikitra amintsika mpanao gazety hanome vaovao azy. Hisy fanaovana recensement hahitana hoe iza daholo no mpanao gazety tena matihanina mba hialana amy fisolokiana sy fisandohana ho mpanao gazety izay nitranga matetika tamy taon-dasa iny. Ankoatra izay dia manomana ny fifidianana satria tapitra amy volana desambra ho avy ny fotoam-piasan’ny holafitra.

 

Amiral de la Flotte Ratsiraka Didier Ignace, ancien PRESIREP

P1050313Enga anie Andriamanitra Tsitoha hitany ny firenentsika sy ny vahoaka malagasy mba hiadana sy ho tony tsy hoatran’ny firenena samy hafa hanjakan’ny savorovoro. Io savorovoro io amiko tsy hilantoana io fa tokony hanao soroka miara-milanja ary saina miara-mandinika. Betsaka ny lesoka raha tsy hilaza aho afa-tsy ny Air Madagascar fotsiny…

Tsy vina ve ny nanaovana an’Andekaleka? Sahamadio? Namorona? Volobe1, Volobe2 tao Toamasina? Tsisy nanohy izany, koa miala tsiny amin’izay nanongana ahy aho… Mora manadino ny vahoaka. Disoiko ny filoham-pirenena raha miteny hoe tsy manana vina Ratsiraka. Taorian’ny mpanajanatany tsisy afa-tsy Ratsiraka no nanao ireo…

Donnez-moi un mandat je ferai une autoroute reliant Fort-Dauphin à Diego, Tuléar à Morondava… Le redressement du pays n’est pas ma seule affaire, tout le monde soit s’y mettre. Un amiral n’est rien sans matelot, sans timonier, sans bosco, sans mécanicien, sans électricien et électronicien, sans fusilier-marin, sans officier marinier, sans capitaine de frégate… à moi tout seul, je ne suis qu’un pauvre type…

 

Vouland Véronique, Ambassadeur de France

P1050319Il faut conforter la stabilité… décaisser les fonds promis par la Communauté internationale, s’organiser surtout pour ne pas perdre cette occasion rare finalement d’avoir à la fois les moyens, la stabilité d’avancer. Une phase très positive après un sommet de la Francophonie réussi, après une conférence des bailleurs réussie. Il faut maintenant concrétiser, passer à une étape car Madagascar est dans une phase très positive.

 

Rakotozafy Jean Martin, Sénateur

P1050334Notenenin’ny filoham-pirenena ny fampiarana ny vérité des prix amy resaka solika. Tsy hisy intsony ny subvention. Misy kajy ataon’ny Fanjakana miaraka amin’ireo compagnies pétrolières ka mamaritra fetra farany ambony indrindra azo hivarotana solika. Izay no zavamisy. Hidina ve sa hiakatra? Io arakaraka ny vidina solika eo amy tsena iraisam-pirenena. Io koa miankina amy vidina dollar. Hoatrinona ny dollar sy ny ariary raha ampitahaina. Ka ny hiteny hoe hidina na hiakatra ny vidina solika, tsy afaka hiteny an’izany aho satria ny tsena iraisam-pirenena ihany no mametra azy io.

 

Jerry Marcos, Artista

P1050337Mahavelom-bola ny kabarin’ny filoha satria mampanantena zava-tsoa fa ezaka ho antsika rehetra ary fihetsiketsehana ho an’ny rehetra mba handeha hiroso lalindalina kokoa amy tsaratsara. Azo ampiharina any amy zavakanto koa ny fito isan-jato raha miezaka ny tsirairay.

 

Vice-amiral Rakotoarisoa Lucien, Directeur de Cabinet MINDEF

P1050353Efa karazana baiko avy amin’ny filoha faratampon’ny Foloalindahy, efa karazana directives ireny kabary ireny. Dia ampifanarahanay amy directives homena ny foloalindahy avy aty amy ministera. Efa misy zavatra natomboka tamy faramparan’ny taona mikasika ny fandriampahalemana ankapobeny dia mbola hitohy izany amy volana febroary izao. Mazava ho azy izany raisina ho baikom-pitolomana ireny ka manohy ny asanay amy fandriampahalemana izany izay amin’izay fotoana izay.

 

Ranary Rakotonavalona, PGCS (Procureur Général de la Cour Suprême)

P1050354Iny kabary iny dia ho an’ny rehetra mihitsy « Fisandratana mirindra ». Misy teny roa misandratra tonga amin’ny ambonimbony sy tsaratsra kokoa, mirindra hiarahan’ny rehetra tsy mandeha mitokana fa hiarahan’ny tontolom-pitsarana manotolo any amy mpitsara ny mpiraiki-draharaha, ny vadintany, ny mpisolovava sy izay rehetra mandray anjara amin’ny asam-pitsarana.

Tsy mitsahatra manatsara sy manarina satria tsy vita indray andro izany, tenenina foana izany fa asa atao mitohy fa tsy indray mandeha atao dia vita.

Tsy misy intsony ny olona alefa any Nosy-Lava fa taloha izany. Amin’izao fotoana izao efa harenina ho toerana tsara sy kanto ary mahafinaritra Nosy-Lava. Harena be ho antsika Nosy-Lava amy lafiny zahatany.

 

Ravalomanana Marc, ancien PRESIREP

P1050359Tsara ilay discours fa ilay fanantanteraha azy raha tsy miasa miaraka isika. Dia izay koa i Président rehefa vonona izy hoe mba ahoana no ifampiresahana. Tena faly mihitsy aho mahita izany fampanantenana omena vahoaka izany. Ary tokony ho tanterahana ilay izy fa tsy atao vavaka fotsiny. Samy nahay discours daholo izay niteny rehetra teo, afa-tsy ny an’i Comores angamba no somary moramora ilay feony azony tsy nandeha tsara ny micro? Na izy alavidavitra? Fa ny rehetra mafibe daholo tsara be ilay izy.

Nanangona Razaka Oliva


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *