Socio-eco

e-Salariés : Fiarahamiasan’ny CNAPS sy ny DGI


Ho tombontsoan’ny mpikambana. Tontosa ny 14 septambra 2020 teny Antaninarenina  ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ny CNAPS (Caisse Nationale de Prévoyance Sociale)  sy ny DGI (Direction Générale des Impôts) momba ny « e-salariés ». “Na eo aza ny lalàna  dia mbola eo amin’ny  10 hatramin’ny 12 % ny orinasa  izay tokony hanao  ny filazana eo anivon’ny CNAPS ihany no mbola manao izany sy mbola mpikambana ao anatin’ny CNAPS ankehitriny”, hoy ny  talen’ny serasera eo anivon’ny CNAPS,  Ratsimbaharison .Araka ny fanazavany fa “taloha  ny mpampiasa manao filazan-karama mitokana, manao filazan-ketra mitokana”. “Rehefa mipetraka sy mandeha ity e-salariés” ity dia indray mandeha ihany ny mpampiasa no manao filazan-karama eny amin’ny Cnaps sy ny filazan-ketra eny amin’ny DGI. Midika izay fa mihamora ny fanatanterahana izany zavatra izany”, hoy izy.

Tombontsoa

Nambaran’i tale jeneralin’ny CNAPS, Rakotondraibe Mamy fa “eo ny hoe teren’ny lalàna kanefa ho anay eo anivon’ny CNAPS: tena zava-dehibe ny fahatsapan’ny mpikambana fa misy ny tombontsoany  ny maha mpikambana azy”. Ezaka lehibe  atao miaraka amin’ny fitondram-panjakana hoy izy  ny fampahafantarana izay tombontsoa izay ho fanamorana ny fahafahan’ny mpikambana misitrika ny tolotra eo anivon’ny tahirim-pirenena ho fitsinjovana ny ara-tsosialy. Anisany anton’izao fiarahamiasan’ny roa tonta izao ny fanafoanana tsikelikely ny fikirakirana  ny taratasy sy fidirana  tsikelikely amin’ny teknolojia vaovao. Ho tsotra ho an’ny mikambana eo anivon’ny CNAPS ny mijery ny mombamomba ny mpampiasa sy ny mpiasa eo amin’ny lafiny filazan-karama sy filazan-ketra. Nohamafisiny fa “tombontsoan’ny fiarahamiasa  ihany koa ny fahafahana mikirakira ny vaovao indray mandeha.  Ny mpampiasa misoratra eo anivon’ny DGI dia lasa misoratra eo anivon’ny CNAPS. Lasa fikirakirana vaovao mitambatra raha taloha samy manana  vaovao sy antontan’isa ny tsirairay”. Ankoatra izany, lalana iray ahafahana mizotra mankany amin’ny fanatsarana ny tahan’ny fampidiran-ketra sy ny fanatsarana ny tontolon’ny fiahiana ara-tsosialy “e-salariés”. Amin’ny telovolana voalohany amin’ny taona 2021 no ho azo ampiasaina ity tolotra ity ary ho hita ao amin’ny tranokalan’ny “e-hetra” an’ny sampandraharahan’ny hetra.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *