Socio-eco

DR MANITRA RAKOTOARIVONY: Andao vitaina amin’ny kopakopan-tanana sy maso mibanjina ny fifampiarahabana nahatratry ny taona


“Andao iarahana mifehy ity valanaretina Covid-19 ity”. Fanirian’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka ny hananan’ny vahoaka Malagasy fahasalamana ao anatin’izao fetin’ny faran’ny taona izao. “Mba hanohizantsika ny fifehezana ity aretina coronavirus ity, efa nolazaina tamintsika fa iarahantsika mifehy ity aretina ity ary tsy tanteraka izany raha tsy ny tsirairay no resy lahatra mifehy tena. Nitsiriritan’ny olona antsika Malagasy ny  amin’ny nahaizantsika nifehy ny aretina Covid 19”, hoy i Dokotera Rakotoarivony Manitra, talen’ny foibe ny fampiroboroboana ny fahasalamana ao amin’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka.  “Araka ny toromarika nomen’ny ministry ny fahasalamam-bahoaka, Rakotovao Jean Louis dia apetraka amintsika indray ny hoe: andao iarahana mifehy ity valanaretina ity”, hoy izy. Noho izany, “ireto misy fototra telo, fihetsika tsotra ifampizarantsika amin’izao faran’ny taona izao na ny fetin’ny noely na fetin’ny faran’ny taona:  Andao hanao fety isan-tokantrano, andao eritreretina mandrakariva fa mbola misy virus mivezivezy eny amin’ny tontolo rehetra eny ka isika rehetra no hiaraka hifandamina ho an’ny fahasalamana, tsy hifampizara aretina fa hifampitsinjo ny amin’ny fahasalamana”, hoy hatrany ity talen’ny foibe ny fampiroboroboana ny fahasalamana ao amin’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka ity.

Nambarany fa  raha tsy maintsy mandeha amin’ireny fiangonan’Andriamanitra na Synagoga ireny dia eritrereto mandrakariva ny fanajana ny elanelana iray metatra sy ny fanaovana arotava ara-dalàna. Sao aretina no hifamindrana kanefa fahasoavana no tadiavina. Ankoatra izany, “ao anatin’ny faran’ny taona sy taom-baovao, malaza be ny fifanorohana. Mangataka antsika rehetra re! Zavatra hita tato ato dia ny iray tsy manao arotava dia ny iray manao, mifanoroka amin’ilay masque izay mampatahotra indrindra satria eo amin’ny tsy tokony hametahana ilay molotra no hametahana azy. Andao hifampitsinjo, hifampitondra ny mahafinaritra sy ny tsara dia tsy atao aloha ny mifanoroka fa atao vitan’ny kopakopan-tanana sy ny maso mibanjina ary aoka tsy hisy hilaza hoe ho tsy tia ahy iny olona iny raha tsy mifanoroka”, hoy i dokotera Rakotoarivony Manitra.

Lynda A.

VIDEO:


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *