« Tsy vitanay irery ity ady amin’ny fanahy mpanimba ny fiainan’ny malagasy ity ». RATOLOJANAHARY na Doudou, mpana politika. Hiantsonay ny FFKM hifanampy aminay izany, hoy izy. Roa herinandro izay no nanairan’i Doudou ny vahoaka mba hitodihana amin’Andriamanitra sy Jesosy Kristy ka hiaino ny Fanahy Masina. Hisy ny paik’ady ho atao ka hianga amin’ny isa-tokatrano izany. « Raha ny tantara nisy hatrizay dia rà mandrika hatrany no nisy teto rehefa hanova rafitra, toy ny tamin’ny 29 mars 1947, 1972, 1991, 2002, 2009. Tsy maintsy hamoizan’aina foana ve izany rehefa hanova rafitra ? Tsy sitrak’Andriamanitra izany mandatsaka ny ain’olona izany . Izay no mahatonga anay miantso antsika handini-tena, hiaino ny Fanahy Masina », hoy hatrany izy. Miantso ny mpitondra fanjakana ankehitriny koa izy fa tsy mandrakizay eo amin’ny fahefana izany. « Mafy be izany ny repoblika voalohany izany fa nirodana ihany, mafy be izany repoblika faharoa izany e, mafy be anie izany 2002 izany e, mafy be izany 2009 izany fa niongana ihany ». Nametra-panotaniana ity mpanao politika niova fo ity : dia tsy maintsy hanao sesitany ve ? tsy maintsy hitsoaka ve ? tsy maintsy ho rava fananana ve ? tsy maintsy handao fianakaviana ve ? Aoka hisintona ny lasa, handini-tena, hibebaka, hiala amin’ny ratsy fanaontsika mpanao politika na mpitondra na mpanohitra manoloana izao zava-misy izao. « Efa tafiditra lalina eto amin’ny firenentsika ny fanahin’ny haizina ». Nanamafy i RAKOTONDRAHOVA Didier fa ady ara-panahy izany hoe adin’ny aizina sy hazavana. Sempotra ny vahoaka malagasy rehetra. Sempotra ny mpitondra, izay rehetra ataony tsy mahomby. Sempotra ny mpanohitra izy indray no vao maika manamafy. Anda isika tarihiny fanahin’ny mazava hiverina amin’ny fahazavana lehibe izay ao amin’ny fihavanana. Ny fihavanana no nampirahy ny malagasy ».
Ra-Nirina