Niova ny fijery i Maharavo RATOLOJANAHARY, mpanao politika. « I Losifera no mahatonga izao fahantrana lalina mahazo ny malagasy izao. Fanahy i Losifera ka Fanahy ihany no afaka mandresy azy. Ny Fanahin’Andriamanitra ihany no afaka handrava azy. Noho izany, mila miverina amin’Andriamanitra ny mpitondra na ny mpanohitra ary isika malagasy rehetra amin’ny alalan’ny fibebahana. », hoy i Maharavo RATOLOJANAHARY na Doudou. Efa nanao izay ho afany ireo mpanao politoka amin’ny famahana ny olan’ny malagasy izay latsaka ao anatin’ny fahantrana lalina. Fitodihana amin’Andriamanitra ny vahaolana. Tenin’Andriamanitra tao amin’ny baiboly no nanoharany ny tokony hiverenan’ny malagasy amin’Andriamanitra indray, toy ny Jeremia 3 : 11, miverena ianao ry Israely mpiodina fa tsy ampanjombona ny tavako aminao Aho hoy Jehovah fa mamindra fo Aho ; Jeremia 14 ; Jeremia 3 : 22 ; Jeremia 4 ; Zakaria. « Ireo teny ireo no manambara fa tsy maintsy miverina amin’Andriamanitra isika malagasy. Tsy vitan’ny herim-batatsika ny ady atao amin’ny Losifera, Zakaria 4 : 6. Tsy mantsy miverina miavana amin’Andriamanitra isika mba hafahatsika miady amin’i Losifera. Noho izany dia raisinay adidy ny asa lehibe apetrak’Andriamanitra izao. Ny fampiavanana indray ny vahoaka malagasy amin’i Jehovah Tompo », hoy izy. Nomarihany fa tsy fiangonana vaovao na fitoriana vaovao fa fanatanterahana ny tenin’Andriamanitra. Mino izy fa mpandresy sahady isika raha miverina amin’Andriamanitra. « Samia mivavaka ny tsirairay, ny fianakaviana tsirairay ary mangataha amin’ny Fanahy Masina mba himparitaka isan-tokantrano izao hafatra izao.
Ra-Nirina