Fampiasana fiaramanidina mpamono afo no ahakely ny fahavoazana. Nanao ny tatitra momba ny zava-misy any amin’ny toerana misy azy tsirairay ireo solontenan’ny fokonolona miaro sy mitantana ny harena voajanahary, mivondrona ao amin’ny TAFO MIHAAVO sy FANONGA FOKONOLONA, manerana ny faritra 23, ny 9 janoary 2025. « Tsy ao Ranomafana sy Brickaville ihany no misy doro tanety sy doro ala », araka ny fanazavan’i Razafimanandraibe Louis de Gonzague, Filohan’ny TAFO MIHAAVO. Nanao fanambarana ireto fikambanana ireto ny 10 janoary 2025 manoloana ny doro ala sy ny doro tanety mahazo ireo faritra arovana eto Madagasikara, tahaka ny tranga ao amin’ny valanjavaboaharin’ny Ranomafana (Fianarantsoa) sy Andohahela (faritra Anosy) sy ny faritra arovana Manombo (Farafangana). « Manao antso avo, koka, anjomara, hazolava sy filazana ho ren-tany ho ren-danitra amin’ny mpisehatra rehetra miainga eny ifotony ka hatrany amin’ny Filohan’ny Repoblika fa potika sy rava ary lasa lavenona ny ala, ny harena voajanahary, ny karaza-javamananaina eto Madagasikara. Raharaha hikambanana ny fiarovana ny harena voajanahary ary entan-jaraina mora zaka ka miantso ny sokajin’olona rehetra na ara-panjakana na tsy miankina izahay mba hampiasa ny hery sy fitaovana rehetra hamonoana ny afo ary handray ny fepetra mifanaraka amin’izany ». Nambaran’ny Filohan’nasionalin’ny TAFO MIHAAVO fa tena ilaina ny fampiasana fitaovana, toy ny angidimby famonoana afo sy ny namany mba ahafahana misoroka ny fihitaran’ny afo. « Maro ireo ala mikitroka tsy hay vonoan’olombelona intsony ny afo ka lasa mitono aina indray. Ankoatran’izay, sady mafana no misy ny rivotra ka tsy zaka intsony ny famonoana mivantana. Herinandro, tapa-bolana mamono afo nefa tsy mbola maty ihany. Tsy vitan’ny fokonolona irery na tsy vitan’ny olombelona irery fa mila mampiasa fitaovana», hoy hatrany izy. Manamafy ny fikambanana fa ny fiaraha-mientan’ny rehetra sy ny fifampiresahana mivantana amin’ny eny ifotony no fomba iadiana amin’ny doro tanety sy ny doro ala. “Miainga amin’ny fifampiresahana no zavadehibe. Miara-mandray andraikitra ny any ifotony ka hatrany amin’ny Filohan’ny Repoblika fa tsy hoe mandray ny andraikitra ny any ifotony dia tsy mandray andraikitra ny any ambony na mandray ny andraikitra ny any ambony dia tsy mandray andraikitra ny any ifotony”, hoy izy. Manamafy ireto fikambanana misahana ny fiarovana ny harena voajanahary ireto fa anisany miteraka fahasimban’ny ala voajanahary sisa tavela, misy fiantraikany mivantana amin’ny fiainan’olombelona, toy ny tsy fahampian’ny rano ho sotroina sy ny rotsak’orana ampiasaina amin’ny fihariana eny ifotony ny doro ala sy doro tanety.
Ra-Nirina