politique

DISTRIKAN’AMBOHIDRATRIMO: Manana fanantenana ireo mpampianatra FRAM


“Efa tapitra iny ny fifidianana solombavambahoaka, tapitra niaraka tamin’iny ihany koa ny disadisa politika”, hoy ny solombavambahoaka Rakotoarisoa Johnny nandritra ny fametrahana azy tamin’ny fomba ofisialy, ny sabotsy 24 aogositra 2019 teny amin’ny kianjan’Ambohidratrimo. Nanentana ny vahoaka ny tenany mba hiaraka hifanome tanana amin’ny fampandrosoana ary hampiseho indray ny firaisankina natao hatramin’izay, ka ho hita amin’ny fifidianana ben’ny tanàna manaraka eo izany. Nambarany fa mpanao lalàna sy mpanara-maso ny asan’ny mpanatanteraka ny solombavambahoaka.  Ankoatra ny fanomezana tolo-dalàna ho famalian’ny hetahetan’ny mponina ao amin’ny ditrikan’Ambohidratrimo dia tsy hitsahatra ny hitady fiarahamiasa amin’ireo mpandraharaha avy eto an-toerana  sy ny any ivelany ny tenany mba hamahana ny olan’ny mponina, toy ny tsy fahampian’ny rano, ny tsy fahampian’ny foto-drafitr’asa  sy ny maro tsy voatanisa. Nohararaotiny tamin’io fotoana io ny fampahafantarana ireo mpandraharaha sinoa mpiara-miasa akaiky aminy izay vonona hanampy ara-bola tsy misy tambiny sy hampindram-bola ary hampiasa ny volany mba hampandrosoana ireo kaominina 24 mandrafitra an’Ambohidratrimo.Rakotoarisoa Johnny - SOLOMBAVAMBAHOAKA 1

Ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, faritany Antananarivo, Rasolonjatovo Honoré  no nanolotra  amin’ny fomba ofisialy ny samboady an’ity solombavambahoaka voafidy tao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo ity. Nanome voninahitra ny lanonana ireo ben’ny tanàna avy ao amin’ny distrika, solombavambahoaka vitsivitsy, tale kabinetran’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena, ny tale jeneralin’ny angovo sy ireo manam-pahefana isan-tokony ary ny mponina avy eny Ambohidratrimo sy ny manodidina. Nanararaotra niresaka momba ny fampidirana ny mpampianatra FRAM avy eny fari-piadidiam-pampianarana Ambohidratrimo ho mpiasam-panjakana ny solombavambahoaka Rakotoarisoa Johnny. “Mbola tsy nanaovana fandraisana mpiasam-panjakana faobe ny mpampianatra FRAM ao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo. Ka ampitao any amin’ny ramatoa minisitra ny hetahetanay mba hisian’izany na rehefa tsy tanteraka izany dia ho atao mangarahara ny fampidirana mpiasam-panjakana ho an’ireo mpampianatra FRAM ary ho atao laharam-pamehana ny avy eto Ambohidratrimo izay miisa 660 fa indrindra ireo tranainy”, hoy izy nanipy teny tamin’ny tale kabinetran’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena. Ho fihainoana ny hetahetan’ny vahoaka dia efa misokatra ny birao miisa roa eny Ambohidratrimo sy Imerimandroso, handraisana azy ireo.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *