Socio-eco

DIEGO-SUAREZ, MISAONA NY HOTEL DE LA POSTE : Nodimandry i DAEL Abdul Kaïd


Nodimandry tatsy amy nosy La Réunion tamy 17 janoary 2025 Andriamatoa DAEL Abdul Kaïd, tompon’ny Hôtel de la Poste any Diego-Suarez. Tsy ny Hôtel de la Poste any Diego ihany no misaona noho izao fodiamandrin’ity olomanga ity izao fa azo lazaina ho ny tanànan’i Diego iray manontolo mihitsy.

Olona mpandala fiarahamonina ity mpitantana ny Hôtel de la Poste ity, ary saiky mahafantatra azy avokoa ny besinimaro mponina ao an-tampontanànan’Antsiranana. Ny mampalaza ity teratany Yéménite ity dia noho izy tia manao asa fanasoavana, tia manampy sy manome tanana ny osa sy sahirana. Ary na iza na iza sokajin’olona anaty fiarahamonina ka mana-manjo dia saika nahazo tolotanana avy aminy avokoa. Notanterahany an-tsakany sy an-davany ny fitenitsika Malagasy manao hoe: “Aleo very tsikalakalam-bola toa izay very tsikalakalam-pihavanana”.

Tsy ny isam-batan’olona sy sokajin’olona ihany no mahazo tolotanana avy aminy, fa na dia ny fikambanana maro samihafa manomana hetsika koa aza, eny hatramy Fiangonana Kristiana dia mahazo tosika avy aminy entina manatanteraka hetsika atao ao an-tanànan’Antsiranana. Tsy mba manavakavaka na iza na iza ity raiamandreny diégolais ity, na ara-pinoana, na ara-politika, na ara-pihaviana fa mahay mifandray amin’ny olona rehetra. Na dia indray mandeha ihany aza no nandalo tao amy ny Hôtel de la Poste ny mpivahiny iray, dia nahatsapa avy hatrany ny maha olon’Andriamanitra an-dRangahy DAEL Abdul Kaïd.

Itompokolahy isany DAEL Abdul Kaïd sy Dr RAKOTONIRINA David Pastora Filohan’ny FLM teo aloha

Itompokolahy isany DAEL Abdul Kaïd sy Dr RAKOTONIRINA David Pastora Filohan’ny FLM teo aloha

Na dia misy ao Diego avokoa aza ireo karazana hotely fandraisam-bahiny avo lenta sy manarapenitra, dia tian’ny olona no mandroso ao amy ny Hôtel de la Poste. Toerana stratejika rahateo no misy azy satria izy no trano fandraisam-bahiny akaiky indrindra ny seranan-tsambon’i Diego, ka na sambom-barotra, na sambo mpiady miantsona ao dia akaiky azy avokoa. Anisan’ny nahazo marim-pankasitrahana iraisampirenena avo lenta mikasika ny zahatany sy kolontsaina koa ny Hôtel de la Poste sy DAEL Abdul Kaïd tany Espagne. Nandimby ny Syriana miliaridera Jack FARRO nanana ny lazany tany Diego tamy taona 70 i DAEL, nefa tsy latsa-danja noho ny vitan’io mpandraharaha goavana io no nataony. Nanampy betsaka ny mpianatra hiverina hody tany Diego i DAEL raha tojo ny olana izy ireny nandritra ny problematika nateraky ny federalisma. Niafara tamy fanapotehan’ny mpanao ankasomparana ny sambo M/S Karthala izany fitondran’ingahy DAEL vonjy ho an’ny mpianatra tavaratra izany

Nahavita ny pratika nandroso sakafo telo andro teo anivon’ny fiarahamonina tany La Réunion ny fianakaviana vao nitodi-doha taty Madagasikara. Maneho ny fiombonana alahelo amy fianakaviana nilaozan’i DAEL Abul Kaïd ny Redaksion’ny gazety Délire Madagascar. Mandria am-piadanana zokibe DAEL.

RAZAKA Oliva


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *