Evenement

DIAVOLAN-KO LAVA ANY AMBILA LEMAITSO: Fampiroboroboana ny fizahantany anatiny


Fialan-tsasatra hamerina ny hasin’i Ambila Lemaitso. Telo herinandro sisa dia higadona ny “Diavolan-ko lava”. Hetsika karakarain’ny “Ny Rado Events ny 23 ka hatramin’ny 25 oktobra 2020 any Ambila Lemaitso izy ity. Ho feno tanteraka ny fandaharam-potoana satria  raha ny ara-kolontsaina no resahana dia hifandimby hanafana ny  “cabaret” mandritra ny afon-dasy ny mpanankato Rija Ramanantoanina, Lolo sy ny tariny (Sammy, Benny, Bebey) ary Kiady.  Ho an’ny “beach party” indray dia nasaina manokana i DJ Looping hanafana izany. Hampiavaka ny “Diavolan-ko lava” ny “sport party” izay iarahana amin’ny X-Country VTT. Araka fanazavan’ny mpikarakara, Rafalimanana Ny Rado, nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny 02 oktobra 2020 fa  ho voafetra ny toerana ho an’ireo hisafidy hipetraka ami’ny trano fandraisam-bahiny ka ny alatsinainy 05 oktobra 2020 izao ny fanombohana amin’ny famandrihan-toerana. Amin’ny maha fialan-tsasatra ny “Diavolan-ko lava”dia hisy ihany koa ny “camping party” ary toerana telo no azo hilomanosana ho an’ny ranomamy. Nambarany fa efa milamina ny resaka fiarovana ho an’ ireo mpiala sasatra hilomano eny amin’ny ranomasina na ranomamy. “Ho famerenana ny hasin’i Ambila Lemaitso, ho fampiroboroboana ny fizahantany anatiny fa indrindra ho fanarenana ny sehatry ny fizahantany sy ny toekarena izay nitondra takaitra noho ny valan’aretina Covid-19 ity hetsika ity”, hoy Rafalimanana Ny Rado.

Nirina R.


One comment on “DIAVOLAN-KO LAVA ANY AMBILA LEMAITSO: Fampiroboroboana ny fizahantany anatiny

  1. Pingback: DIAVOLAN-KO LAVA ANY AMBILA LEMAITSO: Fampiroboroboana ny fizahantany anatiny - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *