Socio-eco

CSPN : Mijoro ho vahaolana sy fakan-kevitra


Nitsangana ny « Confédération Syndicale de la Police Nationale » ( CSPN ). « Hamerina ny hasin’ny polisim-pirenena ny sendika. Tanjona ny hanakaiky hatrany ny vahoaka mba hahatonga ny roa tonta hiara-hisalahy tsy am-pisalasalana ary ho mpiantsehatra feno sy mpandray andraikitra amin’ny filaminana eo amin’ny fiarahamonina misy azy », hoy ny filohan’ny CSPN, Commissaire Divisionnaire de Police, Tsaramonina Ravony. Hijoro ho vahaolana sy fakan-kevitra eo anivon’ny Ministera sy ny governemanta ny CSPN ka hitondra sy hitaky fanatsarana mba ho fanovana ary fanavaozana amin’ny tontolon’ny asan’ny polisim-pirenena. Hisy noho izany ny fananganana « centre de dialogue social » hifaneraseran’ny CSPN sy ministera hifanakalozan-kevitra. Hatanjaka izy amin’izay fotoana izay satria ny filaminana dia miorina eo ambonin’ny polisy matanjaka sy mendrika ary matianina. Ankoatra izay ny konfederasionina dia sady hitandro sy ho fatra-panaja ny lalàna sy fitsipi-pehezana mifehy azy. Sarotiny sy saro-piaro amin’ny fitandroana ny hasin’ny asany sy fandriam-pahalemana ny polisy ary mijoro ho ohatra velona sy filamatra amin’izay rehetra atao.

Marihana fa itambaran’ny «corps » efatra ny CSPN dia ny « syndicat de corps des Agents et Brigadiers de Police », ny  « Inspecteur de police », ny « corps des officiers de police » ary ny « syndicat des commissaires de police ». Mitovy  sy iray ihany ny tanjona sy ny vinan’izy ireo satria mikatsaka ny tombotsoa iombonana mba hanehoana fa asa mendrika sy misy hasina ny asan’ny polisim-pirenena. Andry sy toky ho an’ny fandriam-pahalemana ho antoky ny fampandrosoana ny firenena. Hanana karama sahaza sy mahavelona ho hery manohitra ny kolikoly  mba ho reharehan’i Madagasikara sy ny vahoaka malagasy.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *