Socio-eco

CSB II ANTSAHALALINA : Nametrahana ivon-toerana fandraisana an-tanana ireo zaza teraka tsy tonga volana sy tsy ampy lanja


Manana ivon-toerana fandraisana an-tanana ireo zaza teraka tsy tonga volana sy tsy ampy lanja ny CSB II Antsahalalina ankehitriny. Noho fiarahamiasan’ny fikambanana Orange Solidarité Madagascar sy Compassion Madagascar no nahafahana nanao izany.  Mandray an-tanana ireo zaza teraka tsy tonga volana sy tsy ampy lanja amin’ny alalan’ny fomba « maman kangourou »  ny ivon-toerana. Fantatra fa fomba natoraly sy mahomby ary tsy lafo «maman kangourou ». Ivon-toerana faha-26 napetrakin’ny Orange Solidarité manerana an’i Madagasikara ity ao Antsahalalina ity. Nanome fiofanana ho an’ireo mpitsabo momban’ny teknika « maman kangourou » sy nanolotra fitaovana handefasana ireo reny sy zaza  ihany koa ny fikambanana.

Foto-draditrasa ho an’ny taranaka

Noho fanampian’ny Fondation Orange dia anisan’ireo tanàna mahazo tohana avy amin’ny Orange na antsoina hoe « village Orange »  i Antsahalalina, nanomboka ny taona 2019. Nohatsaraina ireo foto-draditrasa toy ny toeram-pidiovana ao amin’ny CSB II,  ireo efitranon-tsekoly ao amin’ny sekoly ambaratonga fototra (EPP) ary ireo paompin-drano. Notokanana ny 2 martsa 2023 ireo foto-draditrasa ireo. Nanatrika izany i Arson Benja, Filohan’ny Orange Solidarité,  Ranjanoro Elodie Prisca, Mpanorina Compassion Madagascar ary ireo manam-pahefana avy ao an-toerana. « Napetraka tamin’ny taona 2019 ny village Orange eto Antsahalalina. Efa-taona aty aoriana, mivory eto indray isika hitokana ireo foto-drafitrasa nohatsaraina. Misaotra  ny Compassion Madagascar izahay niara-niasa tamin’ny fanatanterahana ny tetikasa  Maman kangourou », hoy i Arson Benja nandritra ny lahateniny. Nanentana ny mponina ihany koa  Rafanomezantsoa Jean Nicolas, Lefitrin’ny lehiben’ny distrikan’i Manjakandriana mba hanaja sy hikojakoja ireo foto-drafitrasa satria natao ho an’ny taranaka izy ireny.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *