Sport

COUPE DU MONDE QATAR 2022 : Afaka manaraka mivantana ireo lalao 64 amin’ny alalan’ny Airtel TV ny Malagasy


Nanomboka omaly 20 novambra 2022 ny lalao ho fiadiana ny amboara eran-tany amin’ny taranja baolina kitra, andiany faha-22. Qatar sy Equateur no nisantatra ny lalao fanokafana ho an’ny vondrona A.  Resin’ny ekipam-pirenena avy any Equateur tamin’ny isa 2 no 0 ny mpampiantrano. Nanao fanambarana tao Parisy, renivohitr’i Frantsa ny Airtel Africa sy New World TV fa afaka manaraka ny lalao 64 mandritra ny “coupe du monde Qatar 2022” ny mpanjifan’ny Airtel TV eto Madagasikara. Voalaza ao anatin’ny fiarahamiasan’ny  roa tonta ihany koa fa afaka manaraka ny lalao ataon’ ireo ekipam-pirenena mandray anjara amin’ny lalao karakarain’ny UEFA hatramin’ny 2028 sy ny fifaninanana FIFA 2022 sy 2023 ihany koa ny mpanjifa. “Tena ankafizin’ny mponina aty Afrika ny baolina kitra. Amin’ny maha orinasa afrikanina mifototra amin’ny kolotsaina sy ny zavatra tian’ny mpanjifa dia ravo tokoa izahay mandefa ny Coupe du Monde FIFA 2022 ho an’ny mpanjifan’ny Airtel. Noho ny fanananay ny Airtel TV sy tambazotra azo antoka sy mivelatra dia afaka manamora ny fisitrahan’ny rehetra ny nomerika sy manatratra ny tanjona hanova fiainana  ny Airtel Africa. Mampifandray Afrikanina an-tapitrisa izahay amin’ireo hetsika ara-panatanjahantena goavana amin’ny alalan’ny fanomezana tolotra internet tsara indrindra”, hoy i Anthony Shiner, Tale ara-barotra ao amin’ny Airtel Africa.  Tsara ho fantatra fa ny Airtel TV dia « plateforme » tokana ho an’ny televiziona mandefa fandaharana mivantana toy ny mozika, vaovao, fanatanjahantena sy ny maro hafa. Afaka ampiasaina amin’ny telefaonina Androïd  sy iOS  ny application Airtel TV ary tsy misy “abonnement” sy tolotra ho an’ireo mpanjifa misafidy ny hanaraka tsy manam-petra ireo tolora omen’ny Airtel TV.

Fifaninanana hafa

Mpiara-miasa ofisialy amin’ny fandefasana ny Coupe du Monde Qatar 2022 ny New World TV (NWTV). Niforona tamin’ny 2015 ity vondrona Televiziona tsy miankina ao Togo ity. « Faly izahay amin’izao fiarahamiasa amin’ny Airtel izao. Manaporofo  izao fa vonona  hatrany izahay hanome fahafaham-po ho an’ny  Afrikanina rehetra. Lalao mendrika indrindra  manerantany ny Coupe du Monde ary asan’ny NWTV ny fakana traikefa  amin’ny alalan’ny fanasana ireo mpamakafaka ara-panatanjahantena toa an’i Wilfrid Mbappé, Basile Boli, Emmanuel Adebayor, Patrick Mboma, Eric Di Meco. Tsy hijanona hatreo anefa ny fakana traikefa fa manana zo handefa ny fifaninanana  baolina kitra hafa ataon’ny UEFA, toy ny Euro 2024 sy 2028 ary ny Ligues des Nations ihany koa izahay », hoy i Nimonka Kolani, Tale Jeneralin’ny New World TV. An-jatony ny « chaînes » ao amin’ny NWTV  ka ny New World Sport 1-2-3-4 no mandefa ny « mondial » izay tsy hifarana raha tsy ny 18 desambra 2022.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *