Sport

« COUPE DE LA CONFEDERATION SY LIGUE DES CHAMPIONS »: Ho mafy ny lalao miverina


Tsy gaga tamin’ny vokatra nitranga teo Mahamasina iny ny mpanazatra an’i Deportivo Unidad avy atsy Guinée Equatorial.  « Reraka izahay satria iray andro mialoha ny lalao izahay vao tonga sady 15 ora no nanaovana ny dia ». Ho henjana ny lalao miverina satria tsy nahatafavoaka ny tena lalao ireto vahiny ireto na dia izy ireo aza no nampiditra ny baolina voalohany vao 6 minitra monaja tamin’ny penalty izay nodakan’i Julio . 4 minitra tao aorian’io baolina tafiditry ny vahiny io dia nahasahala ny isa ny Elgeco Plus tamin’ny alalan’i Nesta. Marihana fa baolina roa ny tafiditr’i Nesta tany amin’ny ministra 54. Teo alohan’io baolina io no nahatafiditra ny faharoa i Bila 5 minitra ny fidirana faharoa.  Nanambara kosa anefa ny  ny kapiteny Raveloarisona Erdino, na i Dino fa niezaka nitady baolina fahefatra mba hisian’ny elanelan’isa betsaka kanefa na izany aza ilaina ny fifehezana ny lalao. Na eo aza ny fanehoan-kevitry ny vahiny dia manana tombony sy herijika hiakarana amin’ny dingana manaraka ny Elgeco Plus.

« Hiezaka ireo mpilalao ireo any amin’ny lalao miverina ary manantena fa ho tafakatra amin’ny dingana manaraka », hoy ny filohan’ny Elgeco plus, Alfred Randriamanampisoa. Nanome toky ireo ao amin’ny « comité d’organisation » hijery manokana ny mety azo hanampiana ny fandratoana ny lalao miverina any Guinée équatorial satria mavesatra ny saran-dalana sy ny fivahinianana any. Apetraka amin’ny mpanazatra kosa ireo mpilalao ho entina any an-toerana. Mangataka amin’ny  mahalala tanana rehetra  mba hanampy izay azo atao ary mino ity filohan’ny Elgeco plus ity fa ho avy izy ireo noho ny fandresena azontsika teo iny.

Ho mafy ihany koa ny lalao miverina ataon’i Cnaps sport any Zimbabwe satria nisaraka 1 sy 1 ny lalao nihaonany tamin’i Platinum. 64 minitra no nahatafiditra ny baolina voalohany ny Cnaps Sport, penalty nodakan’i Ando. Tsy ela fa 6 minitra monja tao aorian’io dia nahatafiditra ny Zimbabwe tamin’ny alalan’i Edwin.

Nirina R.


One comment on “« COUPE DE LA CONFEDERATION SY LIGUE DES CHAMPIONS »: Ho mafy ny lalao miverina

  1. Pingback: « COUPE DE LA CONFEDERATION SY LIGUE DES CHAMPIONS »: Ho mafy ny lalao miverina - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *